- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistan: Niverina ny rariny?

Sokajy: Pakistana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Politika

Nahavita dingana lehibe ny fahefam-pitsarana ao Pakistan. Namoaka didy ny fitsarana any Pakistan tamin'ny zoma 31 Jolay fa mandika ny lalampanorenana sy tsy ara-dalàna ny fanapaha-kevitry ny filoha teo aloha dia ny Jeneraly Pervez Musharraf [1] tamin'ny 3 Novambra 2007, dia ny filazana ny tany ho latsaka an-katerena sy ny fandefasana ny mpikambana rehetra ao amin'ny fitsarana tampony hody sy napetraka tamin'ny toerana iray harahi-maso manokana. Tamin'ny alalan'io didy io dia na afa-mandray ny asany teo aloha ny mpitsara 110 nanao fianianana tamin'ny PCO [2] (na Lalampanorenana Vonjimaika) na mody raha toa lazaina safobemantsina fa foana (tsinontsinona) ny fanendrena azy ireo. Midika izany fa tonga amin'ny tanjona farany notratrariny ny fiaraha-mientan'ny mpitsara [3] izay nanetsiketsika aok'izany ny vahoakan'i Pakistan. Nizara vatomamy teo an-tokotanin'ny fitsarana nanerana ny firenena ny mpahay lalàna ary nisy aza no hita nandihy [4] am-pifaliana.

Na izany aza dia maro ny zava-manahirana mbola mitoetra tamin'io didim-pitsarana io [5], raha mbola iadian-kevitra ny momba ny NRO [6] (fampihavanam-pirenena) sy ny fomba anatanterahana ny fifidianana ara-dalàna. Raha tsy jerena kosa izay olana izay dia hita fa faly tamin'ny fandrenesana iny didim-pitsarana iny ny fiaraha-minom-pirenena [7].

Dr Awab ao amin'ny Teeth Maestro no namehy [8] fa tokony hiafina amin'izay i Musharraf izao:

Miteny ny rehetra – noesorina ny fehin-kevitra fa niala voly isika nandritra ny 120 andro, fa tsy maintsy miatrika ny zava-misy isika fa namerina ny finoana izay nampirehareha antsika fa izay miakatra tsy maintsy midina ny Fitsarana Tampony – voatosika ara-bakinteny hitsahatra amim-pahamenarana avy amin'ny 2000 androny i Musharraf , ary tokony hionona hiafina ao amin'ny fonenany lalana Edgeware [9] any Londres toerana tsara indrindra tokony ipetrahany.

Manontany i [10] Kalsoom ao amin'ny CHUP – Changing Up Pakistan! (manova an'i Pakistan) :

Noho izany, raha misy lanjany ny didim-pitsarana, dia miteraka fanontaniana manao hoe – Dia ahoana izany izao? Mbola manankery ve ny didim-pitsaran'ny mpitsaran'i PCO raha lazaina fa tsy ara-dalàna ny fihaonan'izy ireo? Mifanohitra ve mamoaka didy manambara fa tsy ara-dalàna mandroaka mpitsara amin'ny alalan'ny fandroahana mpitsara betsaka kokoa?

Saesnag ao amin'ny Roznamcha – Bach mihevitra [11] fa didim-pitsarana politika io:

Manafay an'i Musharraf ny Pakistaney amin'ny alalan'ity didy ity, manajanona (ny diany) ary mampihatra amin'ny fomba ofisialy izay efa fantatry ny mpanara-baovao Pakistaney efa ho roa taona izao. Fa mety tsy hotsaraina mihitsy izy raha mbola eo ity lehiben'ny fitsarana ity – izay miara-tafiditra ho miray petsapetsa aminy ihany koa, tamin'ny nampanaovany fianianana an-terisetra [12] tamin'ny 1999 – ary tsy ho anontaniana azy intsony ihany koa ny fahendreny namela heloka nanendrikendrehin'olona iray azy ho nanao kolikoly.

Miresaka [13] ny idiran'ity didim-pitsarana ity ho anatin'ny tantara ao amin'ny bolongany i Umar toor :

Mifampiresaka ny mponina any Pakistan fa mety hanova ny tantaran'ny Lalampanorenana sy ny tantaran'ny fitsarana any an-toerana ity didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Tampony ity

Mbola hafampana ny volana manaraka rehefa hipongatra izay mety hiteraka adihevitra isan-karazany nateraky ny didim-pitsarana. Miharihary fa mbola hisy ny tolona politika sy ny ady ara-dalàna, fa hanakoako mandritra ny fotoana mahahitra any amin'ny efitranon'ny fitondrana Pakistaney any ny fiantraikan'ity didim-pitsarana ity. Sambany vao nisy didim-pitsarana tahaka izao teo amin'ny tantaran'i Pakistan ary manantena aho fa raha tsy misy ny sampona dia io no tsimoky ny fiovana ho avy.

Faisal Kapadia [14]