Jolay, 2009

Tantara tamin'ny Jolay, 2009

Malezia: Novan'i Yuna endrika ny mozika Indie

  14 Jolay 2009

Taona vitsivitsy izao dia maro tokoa ireo mpiangaly mozika miahy tena no mahazo dera sy laza avy amin'ireo tranonkalam-pifandraisana ara-tsosialy toy ny YouTube sy ny MySpace. Fantaro i Meet Yuna avy any Malezia. Ambetin-dresaky ny tontolon'ny fitorahana blaogy any an-toerana izy amin'izao tsy noho ny famokarana mozika avo lenta ihany fa noho ny sariny mahafatifaty indrindra koa. Manaitra izy, amin’ny saina madio, teo amin’ny sehatry ny mozika indie noho ny fiakanjoany ny tundung, sy saly afatotra amina loha izay fanaon’ny tovovavy any Malezia.

Meksika: Tsy fahampian-drano mahakasika mponina hatramin’ny 2 tapitrisa

  14 Jolay 2009

Efa ho 2 tapitrisa izao ny olona voakasik’ilay fihenan’ny famatsian-drano tsy ela akory izay tao amin’ny lemak’i Meksika. Ny Cutzamala System, izay mandrindra ny 20% amin’ny rano fisotro madio ho an’ilay lemaka, dia tsy miasa araka ny tokony ho izy ary tsy afaka mamatsy ny faritra misy azy: distrika 10 ao amin’ny Distrika Federaly ary fiadidiana tanàna 13 ao amin’ny Firenen’i Meksika. Mahakasika olona maro ity tsy fahampian-drano ity isaky ny faran'ny herinandro mandritry ny fotoana tsy voafetra.

Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary

  14 Jolay 2009

Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona, izay nanambarana  fa i Mahmoud Ahmadinejad no nandresy. Ireo mpomba ny mpifaninana amin’i Ahmadinejad, Mir Hussein Mousavi, ary ireo Iranianina maro izay nino ny  amin’ny hisian'ny “fiovana” dia manohy...

Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson

  14 Jolay 2009

Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary...

Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?

  14 Jolay 2009

Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon sy Korea Atsimo. Raha noheverina fa mpanao didy jadona i Kim Jong Il dia milaza kosa ireo mpiserasera sinoa fa...

Irana:Ampahan-tsarimihetsika maro nalain'olon-tsotra momba ny hetsi-panoherana

  13 Jolay 2009

More than 100,000 people marched in Tehran on Monday in support of reformist presidential candidate, Mir Hussein Mousavi and his demands for an annulment of the election results that declared incumbent President Mahmoud Ahmadinejad the winner of the election on June 12. The march ended in bloodshed. At least 7 people lost their lives.

Zimbaboe : Firaisan-kinan'ny mpivarotra

  11 Jolay 2009

“Mpivarotra eto Zimbaboe, miray hina” hoy ny lohateny lehibe tao amin'ny blaogin'i Kutabana. “Izao no tatitra avy amin'ny olona iray monina ao Harare : Anio tolakandro manodidina ny tamin'ny 2 sy sasany, dia nahita mpivarotra nifanjevo aho, nanary ny entam-barotr'izy ireo ary nihazakazaka namonjy ny ainy. Akaikin'ny Greenwood Park no...

Miharatsy ny fanabeazana any Kazakhstan

  02 Jolay 2009

Ny 01 hatramin'ny 10 jona no niatrika ny fanadinana famaranana (UNT) ireo mpianatry ny ambaratonga faharoa any Kazakhstan-fanadinana atrehan'ny mpianatra voalohany kanefa manan-danja eo amin'ny fiainany. Ny salanisa ankapoben'ny mpanala fanadinana, araka ny nosoratan'i Zara, mpitoraka bilaogy iray, dia 74.9 , izany hoe nitombo isa 7 raha oharina amin'ny teo aloha....