Tantara tamin'ny 31 Jolay 2009
Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra
Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.
Hetsik'ireo mponina eran-tany ho an’Irana
Tamin’ny Sabotsy 25 Jolay 2009, ireo Iranianina sy ireo tsy tsy Iranianina dia nivondrona ao anatin’ny United4Iran ary nandray anjara amin’ny hetsika fanohanana ny fitakian’ireo Iranianina ho amin’ny fahalalahana sy...
Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom
Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.