Malezia: “Aiza ny demokrasia?”

malaysia4Roa herinandro lasa izay no nankalaza ny andro faha-100 niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana tamin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? any Malezia. Mino kosa ireo mpitsikera ilay Praiminisitra fa nosimbany ny rafitry ny governemanta demokratikan'ny firenena.

Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana:

Ahoana no fomba anaovantsika azy ity? Amin'ny fametrahana ilay fanontaniana tsotra – “aiza ny demokrasia?”. Taorian'ny 100 andro dia mbola mitady an'izany foana isika, mbola maniry an'izany foana, mbola miady ho an'izany foana isika.

Amin'ny fomba ahoana no ‘hametrahantsika’ ilay fanontaniana? Avoahy na soraty amina taratasy iray. Asehoy tsara manoloana toerana manan-danja – tobin'ny mpitandro filaminana, fitsarana, biraon'ny departemantan'ny governemanta, tranoben'ny parlemanta na ny antenimieram-pirenena, biraon'ny mpanolotsaina eo an-tanàna sns…, ary makà sary.

Afaka mamoaka ny sariny ao amin'ny Facebook koa ireo mpanohana. Ity hetsika ity dia nokarakarain'ny hetsika 1BlackMalaysia ( sarinkevitra avy amin'ny teny filamatr'i  Najib 1Malaysia):

Ho hafatra feno filaminana io nefa ho hafatra mahery vaika feno tsy fankatoavana sivily fa isika vahoaka no lehiben'ny mpanao pôlitika ary tsy misy mpanao pôlitika hifanandrina amin'ny hevitry ny vahoaka ka tsy ho voasazy amin'ny fifidianana manaraka. Ny tsy fankatoavana sivily dia hetsika feno filaminana  izay azon'ny olom-pirenena tsirairay andraisana anjara sy hanehoana ny maha izy azy.

malaysiaNa i Lepak tany Japana aza dia nandray anjara tamin'ilay fanoherana virtoaly.

Raha ny hita dia tsy mahita demokrasia mihitsy isika any Malezia ka noho izany dia mila mitady azy any amin'ny firenen-kafa! hahahaha any Japana… mety hisy demokrasia…na tsia….

Huichun koa dia mitady ny demokrasia any Malezia

Tena iriako tokoa ny hisian'ny deokrasia any Malezia ary ho azon'nyb rehetra idirana foana tahaka an'ilay 7-Eleven n'aiza n'aiza!

Mitsikera i Shakuntala:

Mametraka fanontaniana goavana koa ianareo, “Aiza ny Demokrasia?” indrisy fa tsy hita n'aiza n'aiza izy io. Valinteny sahisahy? tsia, toa nanao adalana ireo mpitondra antsika tamin'izy ireo niteny tamin'izao tontolo izao fa isika no tena Demokrasia marina. Na ho an'ny manan-karena sy ny fanta-daza irery izy io.

malaysia3

Ny sary rehetra dia avy tao amin'ny blaogy 711whereisdemocracy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.