- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Brezila, Emirà Arabo Mitambatra, Etazonia, Filipina, Nepal, Nosy Tiorka & Kaikosy, Polonina, Zambia, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 tamin'ny novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia [1] nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana [2] sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe “Ny Demokrasia dia...”   tamin'ny alalan'ny sarimiaina, ‘seho mivantana’ fohy na ‘fanadihadiana’ tsy lava mihoatra ny 3 minitra. Taorian'ny fifidianana,  18 no voafidy tonga tamin'ny famaranana ary nifidy 6 tamin'ireo ny olona , iray isaky ny faritra jeografika: Ilabolantany Andrefana, Eoropa, Afovoany Atsinanana/Afrika Avaratra, Afrika Atsimon'i Sahara, Azia Atsimo sy Afovoany, Azia Atsinanana/Pasifika.

Miseho ato anatin'ity horonantsary ity ilay mpahay toekarena  Hernando de Soto [3] miarahaba an'ireo mpandresy ary misaotra an'ireo nandray anjara rehetra:

Ireo mpandresy [4] dia:

Avy any Brezila, Anna Carolina dos Santos Israel [5], mpianatra maneho amintsika fa ny demokrasia dia izay rehetra manodidina ny marimaritra iraisana, na dia eo amin'ny faritra samihafa amin'ny vatana aza:

Avy any Emirat Arabo Mitambatra, Rodin Hamidi [6]dia mpaka sary maneho amintsika fa ny fahazoana demokrasia dia mety ho dingana maro mila fisisihana mafy, satria mety tsy ho tian'ireo olona tena mila azy ny ezaka rehetra atao:

Avy any Nepal, Tsering Choden [7], olona manana ny toerany ao amin'ny fampielezampeo sy ny gazetyboky, dia mamaritra ny demokrasia ho fitambaran'olona maromaro izay manana olana sy filàna samihafa:

Avy any Poland, Lukasz Szozda [8], mpanao sariitatra dia maneho amintsika amin'ny alalan'ny sarimiaina fa ny Demokrasia dia mifono zavatra betsaka fa tsy foto-kevitra  iray monja:

Avy any Filipina, Melissa Angela Verzosa Peñafiel [9], mpanao sarimihetsika, dia mitondra amintsika fijery hafa momba ny Demokrasia miaraka amina fijerina poety: angamba ny demokrasia amin'ny maha-teny azy lasa diso ampiasaina loatra, dia very ny tena dikany.

Ary farany, avy any Zambia manana mpanao sarimihetsika iray isika, Chansa Tembo [10], izay manoritsoritra fohy ny demokrasia ho fifangaroan-javatra izay tsara lavitra noho ny fangaro tsirairay ao aminy.

Mirary ny vintana tsara indrindra ho an'ireo mpandresy rehetra izahay ary manantena hiaraka amin-dry zareo mandritra ny dian-dry zareo aty Etazonia amin'ny volana Oktobra ho avy izao.