Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana

Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa  sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.

“Qurbansız azadlıq olmaz. Ona görə də bu gün mən və mənim kimi adamlar həbs olunmalıdır.” Əbülfəz Elçibəy, 1974

‘Tsy misy fahalalahana tsy misy sorona. Izany no antony, izaho sy ireo olona toa ahy, tsy maintsy samborina.’ Abulfaz Elchibey, 1974.

Ity fitantarana ity dia fehezan-teny notenenin'ny filoham-pirenenan'i Azerbaijan taloha Abulfaz Elchibey izay voasambotra noho ny asa fanoherany nandritra ny vaninandro Sovietika. Ny andro nandefasan'i Emin an'io tweet io no tsingerin-taona faha-71 an'i Elchibey.

Emin Milli's latest tweet before his arrest

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.