- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Irana: Horonantsary amin'ny aterineto mampita hafatra ho an'i Joe Biden

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Iràna, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika

Eo amin'ny Iraniana, Amerikana sy Iranana-Amerikana 100 eo no nandefa hafatra manokana fohy tao amin'ny YouTube mba hanohanana ny hetsiky ny mpanohitra Iraniana izay miantso ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona [1] ho hosoka. Miantso an'i Joe Biden [2], filoha lefitra Amerikana, sy ny governemanta Amerikana tsy hankatoa ny governemanta Iraniana amin'izao fotoana ary hanohana ny hetsika sivily Iraniana. Azo jerena ato [3] ny fitambaran'ireo horonan-tsary ireo.

Niangaviana tsy hifampiraharaha amin'ny fitondrana Iraniana i Joe Biden:

Niangaviana ny governemanta Amerikana mba hijery ny fijalian'ny vahoaka Iraniana

ary tsy hiara-hiasa amin'i Irana: