- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijana: Tanora mafana fo, mpitoraka blaogy, voadaroka sy voasambotra

Sokajy: Azerbaijan, Hafanàm-po nomerika, Politika, Tanora, Vaovao Mafana

Tamin'ny 8 Jolay, Emin Milli [1], iray amin'ireo mpanangana ny fototry ny hetsika tanora the Alumni Network ary Adnan Hajizada [2], mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika avy ao amin'ny OL! Youth Movement [3] dia niharan'ny daroka mafy nataon'olon-tsy fantatra raha nisakafo niaraka tamina vondron'olona sivily hafa sy tanora mafana fo tao amina trano fisakafoanana iray tao an-tanànan'i Baku [4]. Taorian'ny nametrahan'izy ireo fitoriana tany amin'ny manampahefana momba ny zava-nitranga dia ry zareo indray no notànana, mety hihoatra ny 48 ora.

Araka ny tenin'ny vavolombelona iray [5], notaterin'ny mpitoraka blaogy iray any an-toerana:

onlar 7 nefer olublar. yemek yedikleri yerde iki idmanci icheri girib Emini doymeye baslayib. Adnan Emine komek etmek isteyende onu da vurublar.

Idmancilar Shobede uzr isteyenden sonra onlari buraxiblar. Adnani ise 2 sutka saxlayacaqlarini ve sonra da xuliqanliga gore hebs vereceklerini deyibler. Emin de Adnanla birlikde qalacagini deyib. Onlari muveqqeti tecridxanasiya apariblar.

Olona fito no nisakafo teo. Avy eo dia nisy lehilahy matanjaka roa niditra tao amin'ilay trano fisakafoanana ary nanomboka nidaroka an'i Emin Milli. Raha saika hanampy an'i Emin i Adnan dia voadaroka koa. Navotsotry ny teny amin'ny tobin'ny manampahefana ireo lehilahy matanjaka ireo rehefa avy nibaboka.  Na izany aza, nambaran'i Adnan fa hotànana roa andro izy noho ny resaka hooliganism. Nanambara ny fikasany hijanona hiaraka amin'i Adnan i Emin. Niara-notànana any amin'ny Toeram-pamonjàna Vonjimaika izy roa.

Araka  izany, araka ny vavolombelona, notànana ireo roalahy nisetrasetra, nefa navotsotra indray avy eo.  Avy eo lasa Adnan sy Emin no olona ahiahiana voalohany ary nolavina ny zon'izy ireo hihaona amin'ny mpisolovavany avy. Ny tànan'izy ireo mifatotra, nafindra any amina toeram-pamonjàna iray izay  mety hitànana azy ireo mihoatra ny 48 ora izy ireo.

Maromaro ny ratra azon'i Emin, toy ny fahatatahan'ny tongony, vaky kosa ny oron'i Adnan, ary tsy nahazo ny fitsaboana ilaina ry zareo.

Vavolombelona mitantara ny zava-nitranga. Raha te-hahita tsara ny fitaterana an-tsoratra, tsidiho ny  takelaka Youtube loharanon'ilay horonan-tsary [6].

Fanampim-baovao: Androany, 9 Jolay 2009, mpisolo tena sy mpanao fihetsiketseha avy amin'ny fiarahamonina sivily, hetsika tanora ary antoko politika maro no nanao ‘valan-dresaka ho fanoherana’  ho fiarovana ireo tanora mafana fo nofonjana [7]. Nampiavaka ilay ‘valan-dresaka ho fanoherana’  ny “ hamaroan'ny olona nameno ny lalantsara, ny haromotan'ireo mpandray fitenenana, ny hamaroan'ny fiarahamonina sivily sy mpitarika  antoko, ny mpanao gazety any ivelany [ary] ny tsy fisian'ny TV avy eo an-toerana” [8]. Ilay Ambasadaoro Alemana ao Azerbaijan dia niteny momba ny  ‘ironie’ iray hoe rahampitso i Emin Milli, izay sady mpandika teny mahaleotena koa, dia tokony handika teny  mandritry ny fitsidihan'ny Iraka Alemana momba ny Zon'Olombelona [9]. Nefa ho solon'izay dia  hiatrika fitsarana noho ny ‘hooliganism’ [10] i Emin sy Adnan rahampitso. Araka ny tweet nalefan'i Bart Woord avy ao amin'ny IFLY [11] dia niteraka fidirana am-ponja mandritra ny 2,5 taona taloha tany Azerbaijan ny fitoriana mpanao gazety iray noho ny ‘hooliganism’  tahaka ity.