- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?

Sokajy: Korea Atsimo, Korea Avaratra, Shina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Politika

Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon sy Korea Atsimo. Raha noheverina fa mpanao didy jadona i Kim Jong Il dia milaza kosa ireo mpiserasera sinoa fa azo ampitoviana amin'i Mao izy.

Ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Mitovy amin'ny filoha Mao i Kim Jong Il” no niteraka resabe tao amin'ny seraseran-kevitra Qiangguo Forum [1] vohikalan-gazetim-panjakana Isan'androm-bahoaka. Ao amin'io lahatsoratra io dia mampifandray an'i Kim sy Mao i chibilanting amin'ny fomba fanatanterahany fampitahorana ara-miaramila. Araka ny heviny:

我们看看毛主席的时代。新中国刚一解放,美国就联合诸国侵略朝鲜。我们保家卫国,支援朝鲜,我们打了过去,美国还是在自己没有胜利的协议书上签了字。印度占我领土,我们打了过去,剑指新德里。苏联占我珍宝岛,我们打了过去,珍宝岛还在我们手中。

Ndeha hodinihana ny fotoanan'i Mao: fotoana fohy monja taorian'ny nanafahana an'i Sina dia nanambatra ny heriny tamin'ny firenena hafa i Etazonia hanafihana an'i Korea Avaratra. Niaro ny tanindrazantsika isika ary nanohana an'i Korea Avaratra. Mbola nijoro ihany isika taorian'ny ady ary voatery nanao sonia ny fifanarahana i Etazonia na dia tsy nandresy aza. Nozanahan'i Inde ny tanintsika, notafihantsika i New Dehli ary mbola nijoro ihany isika taorian'izany ady izany. Notafihan'i Sovietika ny nosintsika Zhenbao, niady isika, ary ankehitriny dia antsika i Zhenbao.

朝鲜射出了卫星,美日韩没敢拦截,成了这一世纪的笑柄!紧接着,朝鲜又进行了核试验。联合国出了个什么几号决议,朝鲜的立场更加强硬。自称可以根据联合国决议可以检查朝鲜“江南号”货船的美国,动用了第七舰队,可是最后还是没敢拦截检查!朝鲜人在挨饿!这也许是真的。但是,金正日没输给奥巴马、李明博、麻生!正像中国的毛主席,没有输给世界一样!金正日就像毛主席!

Raha nandefa ny zanabolany i Korea Avaratra dia tsy sahy nanakana azy i Etazonia sy Japon ary Kore Atsimo. Toa sangisangy! Nanao andrana nokleary i Korea Avaratra ary nanome sosokevitra tsy hanaovana izany ny Firenena Mikambana, kanefa vao maika nanamafy ny heviny i Korea Avaratra. Nilaza i Etazonia fa afaka manara-maso ireo sambo vaventin'i Korea Avaratra izy na dia teo aza ny vahaolana natolotry ny Firenena Mikambana, ka ny niafarany dia nandeha tsy nisy nanohintohina ihany ny sambo vaventy fahafito. Mety ho faty mosary ny mponina any Korea Avaratra, fa tsy hilefitra manoloana an'i Obama sy Lee Myung-bak ary Aso mihitsy i Kim. Mitovy tsisy valaka amin'i Mao, izay tsy nilefitra nanoloana izao tontolo izao! Mitovy amin'i Mao i Kim Jong Il!

Narahana fanehoan-kevitra marobe izany, hoy 221.205.34 [2],

金正日只不过是毛主席的一名学生罢了!!!

Tsy hafa fa mpianatry Mao i Kim Jong Il!!!

Miombon-kevitra amin'izany i Caiyunchangzai,

金正正在学习毛泽东精神,正在学习和运用毛泽东思想!

Mianatra ny fomba sy fisainan'i Mao i Kim!

Hoy i Gaoshanmei ,

不要说,金正日的硬骨头的确像毛主席!我们如果有这样像毛主席的领导,人民会感到多么幸福啊!

Aleo lazaina hoe mafy be tahaka ny taolan'i Mao ny an'i Kim. Raha toa an'i Mao ny lehibentsika dia ho tsara vintana isika!
Hoy koa i 222.50.82 [2] ,

和老毛不是一个级别的,不过骨气倒不错,至少比我们的政府强

Tsy azo ampitahaina amin'i Mao taloha i Kim, kanefa kosa manoatra noho ny governemantantsika ny taolany.

Mpitoraka bilaogy sinoa iray ao amin'ny Enjoy Drawing, [3]no mampitaha an'i Kim amin'ny sarin'i Mao

当年毛主席说:“枪杆子里面出政权!”现在时代进步了,应该说:“核导弹可以保政权!”

Hoy ny filoha Mao “Eo am-bava-basy ny fahefana”. Ankehitriny efa mivoatra ny tontolo ka lasa hoe “Eo am-bavan'ny baomba atômika ny fahefana!”

kims-photo1

Manazava ny antony hitsanganan'i Kim eo amin'ny sary ilay mpitoraka bilaogy:

他也很明白,他和萨达姆不一样,萨达姆在中东是孤家寡人,孤军奋战。而朝鲜身后—站着一个比上世纪抗美援朝时更加强大的中国!

Fantany fa tsy mitovy amin'i Saddam Hussein izy, satria niady irery i Saddam. Izy kosa manana mpanohana matanjaka dia i Sina izay efa nivoatra be tokoa fa tsy tahaka ny tamin'ny taon-jato lasa tamin'ny fotoana niadiany tamin'i Etazonia nandritra ny adin'i Korea .