- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran : Hetsi-panoherana maitso, am-pilaminana an-tsary

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Saripika

Mpanohitra maro manerana an'i ’Iran no nanohy ny fanehoan-kery nataon'izy ireo ho fanoherana ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny 12 Jona [1], izay nanambarana  fa i Mahmoud Ahmadinejad [2]no nandresy. Ireo mpomba ny mpifaninana amin’i Ahmadinejad, Mir Hussein Mousavi [3], ary ireo Iranianina maro izay nino ny  amin’ny hisian'ny “fiovana” dia manohy mampiasa ny loko maitso ho mariky ny hetsika ataony.  Mr. Moussavi sy Mehdi Karoubi [4], ilay reformista iray hafa  mpirotsaka  ho fidiana, dia nangataka ny vahoaka mba hilamina ary hanao ny hetsika am-pilaminana. Raha tsy mamoaka sary momba ny  fihetsiketsehana ny fahitalavi-panjakana, ireo fanapariaham-baovao avy amin'olon-tsotra kosa, dia feno sary mahafinaritra.  Naneho [5] sary maro momba ny hetsika tamin’ny Alarobia tao amin'ny kianjan'i Hafte tir any Téhéran i Hamed Saber . Maneho ny antom-pisian'ny hetsika fanoherana Iranianina ireo sary ireo:

Fahanginana maitso na fanoherana mangina

hmd_61244

Tsy misy fotoana ipetrapetrahana

hmd_58811

Fahaiza-mamorona

hmd_60441

Vahoaka be

hmd_60641

i Che nihaona tamin'i Mousavi

ham5

Namoaka [6] ireo sarin’ny diabe tao Téhéran izay nahitàna an’i Mir Hussein Moussavi sy Mehdi Karoubi koa i Kosoof, :

Hetsi-bahoaka

kosof1

Mir Hussein Moussavi teo afovoan’ireo vahoaka

kosof2

Mehdi Karoubi miarahaba ny vahoaka

kos2

Tamin’ny Alakamisy, M. Moussavi nanao fanambarana [7] teo amin’ny kianjan’ny Imam Khomeni ao Téhéran. Ny vadiny, Zaha Rahnavard, niaraka taminy, dia hita eo amin’ity sary manaraka  ity.

mos1