- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Hifidy sa tsy hifidy

Sokajy: Iràna, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Politika

Iray amin'ireo resaka mandeha mandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana ny hoe ‘hifidy sa tsy hifidy’. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana sa hanao ankivy azy io. Na dia vondrona  mpanohitra maro aza no  niantso fibodoana [1] ny fifidianana filoham-pirenena [2] amin'ny 12 Jona ho avy izao ,  dia toa sahala amin'ny nihena ihany ny lanjan'izy ireo raha miohatra amin'ny tamin'ny efatra taona lasa. Fikambanana iray matanjaka ivondronan'ny mpianatra toy ny Tahkim Vahdat [3], tsy toy izay hita efatra taona lasa izay, no manohana mpirotsaka iray ho amin'ny fanavaozana, Mehdi Karoubi ary miantso ny olona hifidy  ny fanovàna.

voteforchange1 [4]

Tsy isalasalana fa ny hetsika  tena isan'ny vaovao nentina nandrisihana ny olona hifidy dia tany Netherlands no niainga. Kamran Ashtary, mpitoraka blaogy sady mpanakanto monina any Netherlands, sy ireo namany roa  Farhad Golyardi, toniam-panoahana ao amin'ny   Eutopia [5] ary Shervin Nekuee, Iraniana iray mpandalina ny fiarahamonina [sociologist], dia namokatra ny vohikala antsoina hoe Mifidiana ho an'i Iran [Vote for Iran] [4].”

Kamran manoratra hoe: [6]

Mifidy aho amin'ny fanantenana, tsy hoe fotsiny hiova io governemanta tsy refesi-mandidy io,  fa koa mba hananganantsika fiarahamonina tena demokratika kokoa  ka tsy ho nofinofy intsony ao anatin'izany ny zon'ny vehivavy, ny fahalalahan'ny mpanao gazety, ny fahalalahana miteny, ary ny fanajàna ny zon'olombelona. Ireo efatra taona lasa teo dia nanaporofo fa ny zontsika dia azo nohitsakitsahana nihoatra noho izay azontsika nosaintsainina.

Ho ahy, tsy azoko noeritreretina mihitsy ny fahafahana handray anjara tamin'io hetsika io tanatin'ny efatra taona lasa. Efatra taona nitondran'ny hery havanan'i Ahmadinejad [7] no nametraka an'i Iran aminà làla-mijotso [mitsontsorika]. Antenaiko fa ireo Iraniana mpila ravinahitra dia tokony hitàna toerana misimisy kokoa ho mpanorina fa tsy hiandry fotsiny fahagagàna hanova ny fitondràna.

Iraniana avy amin'ny tanàn-dehibe 25 samihafa maneran-tany no nifamotoana sy nilaza fa handeha hifidy izy ireo:

Mohammad Ali Abtahi, filoha lefitra teo aloha dia  manoratra fa: [8]

Ny fitotongan'ny onjan'ny fanaovana ankivy ny fifidiana dia tarazo iray lehibe avy amin'ny hetsika ara-pôlitika ihany. Tamin'ireo fifidianana tany aloha, fibodoana goavana iray no naterak'ireo olana [disadisa] tao anatin'ireo efatra taona tany aloha ary dia fanomezana tsy nampino no natolotra ny filoha . Andro maro lasa izay dia nahita vondrona mpianatra aho, nahangona sonia manodidina ny 500 teo ho eo mba hibodo ny fifidianana nandritry ny fifidianana taloha. Amin'izao fotoana dia maro amin'izy ireo no manentana ny olona hifidy.

Paicorg dia manoratra [9] [fa] fa tokony hatao ny fibodoana ny fifidianana. Milaza ny blaogy fa tsy misokatra ho an'ny rehetra no sady tsy malalaka ity fifidianana ity.

Tahrimen Etkhabat (midika ‘fibodoana ny fifidianana’) dia manoratra [10] [fa] hoe ny fibodoanana ataon'i  Iraniana tsy hifidy dia maneho indray koa eo imason'izao tontolo izao fa  tsy mahazo ny fankatoavan'ny sarababem-bahoaka ny  Repoblika Islamika