USA: Mpanao gazety miatrika fitsarana any Korea Avaratra

Tamin'ny 4 Jona, mpanao gazety amerikana roa no notsaraina tany amin'ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan'i Korea (Korea Avaratra) noho ny fidiràna an-tsokosoko tao amin'ity firenena ity.  Vehivavy roa,  Laura Ling sy Euna Lee, izay samy mpanao gazety teratany avy ao Azia mizaka ny zom-pirenena  Amerikana miasa ho an'ny Current TV, voatazona tamin'ny 17  Martsa, saingy na teo aza ny lazan'ny rahavavin'i  Ling (Lisa Ling, iraka manokan'ny ‘ the National Geographic Channel’ , Oprah, ary CNN), tsy dia nisy niraika firy tamin'ny nahazo ireo vehivavy roa ireo ny mpampita vaovao nentim-paharazana rehetra, izay amin'ny ampahany dia  vokatry ny toe-draharaha ara-diplaomatika efa tsy mari-toerana loatra.

Saingy andro iray talohan'ny fitsarana azy ireo, nirehidrehitra ny fanehoan-kevitra teo amin'ny tontolon'ny fitorahana  blaogy momba izay hoavin'ireo mpanao gazety. Ilay mpitoraka blaogy avy  any  Etazonia, Angry Asian Man, no loharano nahitàna hoe aiza no ahafàhana manovo vaovao maro momba an'i  Ling sy Lee:

Tsy asiana andraso andraso fa androany no fotoana, tena faran'izay lehibe inddrindra ny hanairana ny vahoaka momba ny zava-mahazo an'i  Euna Lee sy Laura Ling. Ho fampahafantarana bebe kokoa, tsidiho ity vondrona Facebook ity, izay ahitàna fanavaozana matetika miaraka  amin'ny fanampim-baovao ahafahanao mitondra fanampiana. Tairo  izao tontolo izao. Afaho ry Euna sy Laura!

Brenna Hamilton, mitoraka blaogy ao amin'ny  The Art School Girl of Doom Rides Again, dia mangataka miaraka amin'ny mpamaky ny mba hanehoana fanohanana an'i  Ling syLee:

o maneho ny fanohanako aho amin'ny maha-naman'ny fianakaviana ahy efa hatry ny ela tokoa, miangavy anao aho hiara-dàlana amiko amin'ny ezaka ataoko ho fiantohana ny  hanafàhana an'i  Laura sy Euna tsy misy  hatak'andro. Noho ny fifamatorana ara-diplaomatika somary mifangidotra be ihany, nisafidy ny tsy haneho hevitra imasom-bahoaka momba ny raharaha ny fianakaviana.

Namoaka ny lisitr'ireo fomba samihafa azo andraisana anjara ilay mpitoraka blaogy, ary nanampy hoe:

Na inona na inona ataonareo, iangaviana indrindra mba ataovy fanehoana fanohanana amin'ny fomba miabo. Tsy hanampy velively ny ezaka ho an'i  Laura sy Euna ny fanaovana kabary na asa miiba, noho izany tsy hamorona kisarisarin'i  L'il Kim™ sy/na hanao ireo fanovàna endrika mahamenatra  amin'ny Photoshop intsony koa aho.  Ny tanjona tokan'ny  tsirairay mandray anjara dia  ny famerenana avy hatrany sy tsy misy rahoraho ho an'ireo mpanao gazety roa tena tsaroana ho banga ny toerany.

Iray amin'ireo mpitoraka  blaogy maro ao amin'ny vondrona blaogy Koreana-Amerikana  Kimchi Mamas no naneho ny eritreriny momba ny antony tsy dia nampiraika loatra ny mpampita vaovao nentim-paharazana tamin'ny  tantaran'ireto mpanao gazety ireto:

Fantatro fa maro amintsika no manaraka akaiky ny vaovao hatramin'ny nisamborana an'i   Euna Lee sy Laura Ling, manontany tena momba ny tsy fisian'ny vaovao firy  manodidina  ny  fitànana azy ireo. Eny, nahatsapa izahay fa raharaha  ilàna fahamalinana lalina izy ity, tsy taitairina izay i Korea Avaratra ary inoana mihitsy fa misy ezaka misoko mangiana any ambadiky ny sehatra any. Saingy rehefa mitatitra ny momba ny sambo amerikana iray nalain'ny jiolahin-tsambo ary avy eo navotana tamin'ny fomba nampivanaka ny fampahalalam-baovao, ary vao tsy ela akory izay ny firaradraraky ny vaovao samihafa manodidina ny raharahan'i   Roxana Saber, ny fitsaràna, ny fampiakarana fitsarana ambony sy ny fanafahana azy, dia toa mitambesatra mafy ao an-tsaiko kosa ny fahanginana manodidina ny tranga  Euna sy Laura.

Several Facebook groups call for support for Laura Ling and Euna Lee

Vondrona  Facebook maro no miantso fanohanana an'i  Laura Ling sy Euna Lee

Ho fanampin'ireo hafatra tanaty blaogy, vondrona maro no niforona tao amin'ny  Facebook ho fanehoana firaisankina amin'i  Ling sy Lee, isan'ireny  ity iray ity sy ity.  Nisy  fanangonan-tsonia iray napetraka  ihany koa .

Na eo aza ny hamaroan'ny fanohanana tonga, ny fampitam-baovao dia maminavina fa toa hahazo sazy henjana tokoa i  Lee sy Ling.  The New York Times dia milaza fa mety hanao asa an-terivozona an-taona maro izy roavavy; ny LA Times no mandroso fa mety ho tonga hatramin'ny 15 taona ny sazy.

Raha te-hahazo vaovao misimisy sy manaraka ny fivoaran'ny toe-draharaha momba an'i  Euna Lee sy Laura Ling, tsidiho ny  Komity ho fiarovana ny mpanao gazety, fa ao, anatinà lahatsoratra iray vao avy navaozina, olona iray tohina amin'ity raharaha ity no nilaza ny antony maha-tena zava-dehibe ny fanehoana fanohanana ho an'ireo mpanao gazety roavavy:

Mazava loatra fa ny fanaovan-gazety feno risika [avy amin'ny mpandika: mijabaka amin'ny raharaha mafana] dia miteraka fiantraikany mafana. Ary izany indrindra aza no antony tokony hanohanantsika an-dry Ms.Ling sy Ms.Lee, ary ireo mpanao gazety hafa koa izay mandray risika be tokoa hanomezana vaovao ny sarambabem-bahoaka.

Maro ny feon'ireo mafàna fo sy mpanoratra no misandratra avy ao anatin'ny fireneny ao. Maro koa ireo mpanao gazety iraisam-pirenena izay mitondra ny vaovao hanerana izao tontolo izao. Ireo sokajy roa ireo dia samy tokony harovantsika izay migalabona anaty fahafenoana, fandriampahalemana sy filaminana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.