Mpitoraka blaogy roa avy amin'ny lafin-tany arabo roa samihafa no mikamenona amin'ny zavatra iainan'ireo arabo, manomboka any amin'ny Ranomasimbe ka hatrany amin'ny Gôlfa . Ny iray manontany hoe mandra-pahoviana isika no hipetraka ho mpitazana fotsiny foana raha ny firenen-kafa kosa miezaka mampanaraka ny teotr'andro sy mampivoatra ny tahirim-pitaovam-piadiana eo am-pelatanany – ary ny iray hafa indray manao hoe nahoana i Arabia Saodita no tsy mba manana ny tetikasany manokana momba ny any ambony tsy taka-maso any
Bilad Talisman [Ar] mpitoraka blaogy Algeriana iray no manontany tena hoe nahoana ny Arabo no mpitazam-potsiny amin'ny adin'ny balafomanga mahataka-davitra [missiles”] misy ankehitriny:
Avy any Arabia Saodita, i American Bedu, Amerikana vavy manambady Saodiana, dia manontany hoe nahoana i Arabia Saodita no tsy mba nirotsaka tamin'ny tetikasany manokana momba ny habakabaka:
Lasa saina aho hoe nahoana no firenena manan-karena toa an'i Arabia Saodita no tsy misafidy hanana ny tetikasany manokana momba ny habakabaka, toy izay hiankin-doha lava sy hanao fifanarahana amin'ireo mpiara-dia? Hatramin'ny anio, Saodiana tokana monja no mba nandeha tany an'habakabaka tany, Sultan bin Salman bin Abdulaziz al Saud.
[…]
Raha izany, nahoana hoy ianao i Arabia Saodita, na eo aza ireo harem-beny ny fahaiza-manaony, no mifidy tsy hanana tetikasa manokana momba ny habakabaka ho azy manokana? Nanontany Saodiana iray aho momba ity zavatra ity. Toy izao no navaliny “Ny mitondra fiara eny an-dalam-be aza mbola tsy hain'ny Saodiana maro, ka fomba ahoana no hieritreretanao hivezivezeny any ambony tsy taka-maso any?” ( mazava loatra fa tamin'ny fomba niharo vazivazy no nilazana izany saingy mampisaina kosa…)