Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

04 Jona 2009

Tantara tamin'ny 04 Jona 2009

Sina: Ny fivoaran'ny demokrasia hatramin'ny 1989

Nandritra ny faran’ny herinandron’ny Fetin’ny Reny farany teo tamin’ny 10 Mey, nisy avara-pianarana maromaro tao Beijing nanomana seminera hiresahana ny faha-20 taonan’ny hetsika ho an’ny demokrasia tany Sina. Hetsika manan-danja tokoa io mba handrodanana ny fahanginan’ireo avara-pianarana momba ny hetsiky ny mpianatra tamin’ny 4 Jona, ary mba hanoherana ny fijery...

Ejipta: Tsy ‘tongasoa’ ve i Obama?

Valo amby efapolo ora mialoha ny kabary andrasan'ny tontolo arabo sy silamo fatratra hataon'ny filoha amerikana Barack Obama avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Cairo, dia saiky miray feo daholo ny tontolon'ny fitorahana blaogy Ejiptiana. Tsy faly amin'ny endrika mibaribary sy tafahoatra atao ho fikarakaràna sy fiarovana raisin'ny governemanta ejiptiana ho an'ity...

Mety hampigadra ny fanamboamboarana saripika ho an'ny mpamaham-bolongana Tanzaniana

The Nairobi Chronicle no mitatitra fa mety higadra ny mpamaham-bolongana Tanzaniana iray noho ny namboamboarany sary iray ahitana ny filoha Tanzaniana Jakaya Kikwete ho manao fihetsika mamoha fady (ara-pananahana). Araka ny nolazain'ny Habari Leo , gazety Tanzaniana[sw] iray dia mitady fiarahamiasa amin'ny Interpol ny polisy ao an-toerana hitadiavana ny tompony...

Iran: resaka taorian'ny fipoahana baomba tany amin'ny Mosquée

Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môske Ali Ibn-Abitaleb, môske Shiita faharoa amin'ny habeny any Zahedan, Iran. 25 raha kely indrindra ny isan'ny maty. Olona telo nampangaina ho nandray anjara tamin'ity fanapoahana môske ity no nahantona tamin'ny sabotsy maraina teo. Vondrona Sonita mitampiadiana antsoina hoe Jundullah, izay midika hoe Borigadin'Andriamanitra no...