Rosia: Veloma mandrakizay ho an'ilay mpilalao sarimihetsika Oleg Yankovsky

Maty tany Mosko tamin'ny 20 Mey teo amin'ny faha-65 taonany ilay mpilalao sarimihetsika Rosiana Oleg Yankovsky ary nalevina tao amin'ny Fasan'i Novodevichy roa andro taty aoriana. Mpankafy an'arivony no tonga nanao veloma farany azy tao amin'ny Fanaovana tantara an-tsehatra Lenkom. I drugoi, mpampiasa LJ, dia  namerina namoaka sary avy amin'ny AP mikasika ny fandevenana, ary i leosat, mpampiasa LJ  dia nanoratra ity (RUS) momba izany:

Antsasak'adiny mialoha, nitondra ny vatapaty nivoaka ry zareo ary namoaka ny faty ho amin'ny lamesa fanaovam-belona. Tsy tafiditra tao anatin'ilay trano aho mba hanao ny faravelomako. Na ireo tonga tamin'ny 11 ora aza tsy tafiditra. Vahoaka marobe no teo, ary kely loatra izany adiny roa izany. Tamin'ny 1:15 tolakandro, tsy afaka nanao veloma farany an'ilay [mpilalao sarimihetsika] malalany intsony ny olona. Tsy nihena ny vahoaka mandra-pamoaka ny faty. Toy ireo hafa, nampita ireo voninkazo tamin'ireo tany anatin'ilay faritra voafefy tady aho. Nisy fitsanganana [fiondrehana] nitalakotroka be tao, toy ny nandritra ireo tantara efa nilalaovany. Androany, nitefotefoka in-droa ny tehaka. Ny voalohany, tamin'i [Nikolay Karachentsov, mpilalao hafa, izay naratra mafy noho ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 2005] tonga hanao veloma mandra-pihaona. Sahaza tokoa  io amiko. Latsaka ny ranomasoko tamin'ny nitondràna ny vatapaty: mitoetra mafy miaraka amintsika izy ary tsy mety ampiarahana amin'ny sariny ny fahafatesana. Fahatsiarovana mamibe ho azy!

Ity misy fanamarihana tamin'ity lahatsoratra ity – ary ny navalin'ilay mpitoraka blaogy:

seaseas:

Misaotra anao […] nandeha tany ary nitantara…

leosat:

Tany ho anao koa aho. Amin'ny ankapobeny, tsy dia mandeha matetika amina hetsika toy ireny aho. Nanatrika ny [fanaovam-beloma farany an'i Boris Yeltsyn] – ary androany…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.