Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

31 Mey 2009

Tantara tamin'ny 31 Mey 2009

Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja

Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 amin'ny Lalàna...

Rosia: Veloma mandrakizay ho an'ilay mpilalao sarimihetsika Oleg Yankovsky

Maty tany Mosko tamin'ny 20 Mey teo amin'ny faha-65 taonany ilay mpilalao sarimihetsika Rosiana Oleg Yankovsky ary nalevina tao amin'ny Fasan'i Novodevichy roa andro taty aoriana. Mpankafy an'arivony no tonga nanao veloma farany azy tao amin'ny Fanaovana tantara an-tsehatra Lenkom. I drugoi, mpampiasa LJ, dia  namerina namoaka sary avy amin'ny...

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

Honduras: Horohoron-tany mahery nanetsiketsika ny firenena

Nifoha aloha be tokoa i Honduras ny marainan'ny 28 Mey noho ny horohorontany mirefy ‘7.1 tamin'ny maridrefy Richter’ nanetsiketsika ny firenena. 130 kilometatra tany avaratry ny tanànan'i La Ceiba ny foibeny, tany amin'ny morontsiraky ny ranomasim-be Atlantika. Tamin'ny 2:24 maraina, ora tany an-toerana, nanery ireo mponina hivoaka ny tranony tanatin'ny...