Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka mientana ho fahatsiarovana ireo izay namoy ny ainy ho an’ny demokrasia. Araka ny mahazatra dia ny mpikarakarara, antsoina hoe Hong Kong Alliance in Support of Patriotic Democratic Movement in China(Ny firaisan’ny Hong Kong manohana ny hetsika fitiavan-tanindrazana ara-demokratika ao Sina), no miangaly ny hakanton'ny T-shirt ho an’ity hetsika ity; amin’ity taona ity, dia misy ny fiovana hafakely satria efa niangaly ny endri-tsary tiany hatao amin'ny T-shirt ny mpiserasera ary misy ny mizara ny vitany amin’ny alalan’ny aterineto: toy ny Foncept. Hita eto ambany ny sombiny amin’ireo haikanton'ny T-shirt entina hahatsiarovana ny 4 Jona nataon'ny mpiserasera:
I Kar Chum no namorona ny famantarana (logo):
Ireo endri-tsoratra Sinoa efatra dia midika hoe: “valifaty” sy “manombotomboka hatramin'ny fahafatesana”, hoy ny mpahay kanto egg sandwich:
八九民運六四事件當中最為無情的最為觸目的應該是一部一部的坦克車轆死中國人。
Ity iray ity indray izay namboarin’ny Tai Creative Design, dia mampitambatra ny soratra hoe “4 Jona” miaraka amin’ny teny hoe “Fandriampahalemana”.
Etsy ankilany dia maneho endri-tsoratra mivadika “4 Jona” I Egg ho mariky ny “fampiononana”.
Ampiasain’I Zi Sun ny soritsoritra famantarana ny “Andriamani-bavin'ny Demokrasia” , izay niarahan'ny mpianatra zavakanto tao Beijing namorona, tamin’ny taona 1989.
Samy ampiasain’I Joel sy Z!NG avokoa ny sary manohina ny fo arahana famantarana izay mampiseho ny olona iray ao Beijing miezaka manakana fiara mifono vy an-tanam-polo tsy hiditra ny Kianja Tiananmen
Ny mpahay Sary antsoina hoe Vicky dia manazava fa voasoritry ny sary ny hoe “mpianatra”, “boky mena”, “fahafatesana” ary ny “4 Jona”.