- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora

Sokajy: Ejipta, Israely, Palestina, Shina, Fahalalahàna miteny, Haisoratra, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina [1] izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey.

Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara. Etsy ankilany ihany koa dia atsangana mifanindran-dalana amini lanonana io ny atrikasa iarahan'ny mpianatra any Palestina amin'ny ‘ny sekoly ambony palestiniana.

Araka ny nolazain'ny mpikarakara [2]:

Because of the difficulties Palestinians face under military occupation in traveling around their own country, the Festival will travel to its audiences. It will tour to Ramallah, to Jenin, to al-Khalil/Hebron and to Bethlehem. To celebrate its year as Cultural Capital of the Arab World, the festival will begin and end in Jerusalem. And for those audiences that we can't reach, we're running several ways to connect with the festival: from author blogs to daily videos to twitter updates you can check them all out on our Connect page.

Noho ny fahasarotana mianjady amin'ny Palestianiana ao ambany vahohon'ny miaramila tsy afa-mivezivezy manerana ny fireneny, dia ny lanonana no mankany amin'ny mpanotrona azy. Mandalo an'i Ramallah, Jenin, al-Khalil/Hebron ary any Bethlehem ny fitetezam-paritra izay atao. Ho fanamarihana ny maharenivohitra ara-kolontsain'ny tontolo arabo an'i Jerosalema amin'ity taona ity dia ao amin'ity tanàna ity no hanombohana sy hamaranana ny lanonana. Ary ho an'ireo izay tsy afa-manatrika mivantana ny lanonana moa dia maro ny fomba hanarahana azy: miainga any amin'ny bolongan'ny mpanoratra izany, mandalo ny lahatsary avoaka isan'andro ary eoihany koa ny vaovao farany avoakan'ny twitter ary azonao arahina amin'ny takelaka an-tserasera izany

Na izany aza dia tsy nilamina araka izay niheverana azy fa nakaton’ [3] ny mpitandro ny filaminana Israeliana [4] ny fanombohan'ny lanonana.

Palfest first tweet about the Israeli harassment to the festival [3]

tweet voalohany navoakan'ny PalFest

Noravan'ny miaramila ny lanonam-panokafana ka nafindra tany amin'ny Foiben-kolontsaina Frantsay

Dan-Chyi Chua, avy any Shina, izay nandray anjara tamin'ity lanonana ity no nanoratra ny “Hamarino ny zavamisy na ahoana ny fanaovana lanonana eo ambany fanapahan'ny firenen-kafa [5]” mitantara amin'ny antsipiriany ny nahatongavan'ny miaramila mitam-piadiana Isiraeliana ka nanakatonany ny lanonana. Notantarainy ihany koa ny eritreriny manokana tamin'izay niainany nandritra io tranga io:

It is not a bad idea – to say the very least – to arrive in the West Bank, to set aside the ideals, causes and perceptions that we have packed along with our luggage on this trip, and instead listen to the stories of the people here. The voices of the Palestinian people are already sufficiently subdued, without outsiders coming to further drown it out.

Tsy hevitra ratsy – raha lazaina ny kely indrindra – ny nahatongavana taty amin'ny manamorona an'i Jordana, mampirina ny tigetra, ny hevitra sy ny fomba fijerin'ny tena nandritra ny dia natao, fa mihaino kosa ny tantaran'ny hafa etoana. Efa tsy dia heno intsony manko ny feon'ny Palestiana, raha tsy misy vahiny tonga indray hanakombona azy kokoa.
Deborah Moggach reads at our new venue [6]

Deborah Moggach reads at the new venue

Mpanoratra tantara foronina Ezypsiana, Ahdaf Soueif, izay nandray anjara ihany koa tamin'ity lanonana ity, no namintina tao amin'ny bolongany [7] tamin'ny alalan'ity fehezanteny ity:

Today, my friends, we saw the clearest example of our mission: to confront the culture of power with the power of culture.

Androany, ry sakaiza, dia hitanay mazava ny ohatry ny iraka ampanaovina antsika: mampifanandrina ny kolontsain'ny hery amin'ny herin'ny kolontsaina

English PEN World Atlas, no nampiako ity resak'i Ahdaf Soueif momba ny Kolontsaina mifanandrina amin'ny Hery ity, ary mizara amintsika ny lahatsary [8] iray nandritra ity lanonampanokafana notontosaina ny alina ity.

Tsy ilaina ny miteny fa tsy miandry fotoana ela akory dia nanomboka niresaka azy tamin'ny fi-tweeting [9] ny zavaniseho olona any amin'ny vazantany efatra.

Ity misy ny sary indray mipika tamin'ny resaky ny olona tao amin'ny Twitter:

Twitter reactions to palfest

Twitter reactions to palfest

meedan : Miteny arabo ve ianao ? @palfest dia mila anao mba handika ny lahatsoratra mikasika ny fitetezamparitra ataon'ny literatiora Palestiniana – manorata @meedan momba ny antsipiriany. Aparitaho aza fady
kesterbrewin: @PalFest Ho aminareo anie ny hery. malahelo nahita ny lahatsoratry ny Guardian mikasika ny olana mahazo anareo noho ny nataon'ny miaramila isiraeliana
majeedb: @Checkpoint303 PalFest nakaton'ny polisy isiraeliana! Nahoana? Fa anagaha asa maramila ny literatiora?

Eman AbdElRahman [10]