- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray

Sokajy: Maraoka, Mozika, Tanora, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina

11 raha kely indrindra no maty [1] ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny  mozika [2]Mawazine [2].

Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja  Hay Nahda hipooky ny mpijery mihoatra ny 70 000 “grillage” tamin'io andron'ny sabotsy io.

Notaterin'nyThe View From Fez [3] sy ny mpamaham-bolongana Taha Balafrej [4]izay malahelo tokoa amin'izao trangan-javatra izao moa ity voina ity:

D’autant plus […] que le festival Mawazine, aujourd’hui endeuillé, s’est imposé par sa programmation, par l’engouement du public, par la qualité des prestations et des moyens techniques, comme l’évènement populaire et culturel par excellence de la capitale, du Maroc et peut-être même du continent.

Ary indrindra[..] fa ity fetiben'i Mawazine, izay misaona androany, ity dia tafakatra avo, noho ny fitiavan'ny mpijery, noho ny hatsaran'ny fampisehoana sy ny haraitran'ny teknika, – ho fampisehoana mamim-bahoaka indrindra sy faloisehoana ara-kolontsaina kanto indrindra eto an-drenivohitra, Maraoka na manerana ny kaontinanta mihitsy aza.

Azonao jerena eto amin'ny Global Voices Online:
Morocco: When Arabs Rock [5]

Hisham [6]