- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sri Lanka : Mbola mifikitra ny fahakiviana, ny fangidiam-panahy ary ny fanosihosena

Sokajy: Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Voina, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Andro vitsivitsy lasa izay no nifarana niaraka tamin'ny famonoana ny mpitarika ny LTTE Velupillai Prabhakaran [1] ny ady an-trano [2] naharitra 25 taona nifanaovan'ny governemanta Srilankey tamin'ny Tigra Mpanafaka an'i Tamoul Eelam [3] (LTTE). Mampanontany tena ihany na dia izany aza hoe “Ho faty miaraka aminy ihany koa ve ny nofinofin'ny tamouls hanana firenena manokana tsy misy fanavakavahana?” Na dia ambara ho mpamono vahoaka sy mpampihorohoro aza manko i Prabhakaran dia maro kosa ny manandratra azy mpiady ho amin'ny fahafahany ary ny sasany aza moa dia mandà ny fahafatesany [4] hatrany. Maro ny petra-kevitra miposaka [5] manao izay hampisalasalàna ny fahafatesan'i Prabhakaran ary ny sasany aza dia manambotra sary amin'ny Photoshop [6] mihitsy hanaoporofoana fa mbola velona izy.

Heniky ny fanadihadiana sy ny mifanohitra amin'ny fanadihadian'ny hafa ny tontolom-bolongana Srilankey misara-kevitra.

Na dia nahomby aza ny governemanta Srilankey tamin'ny famaranana ny ady nifanaovana tamin'ny fiokoan'ny LTTE, dia mampiady hevitra sy nahazoana tsikera maro kosa ny fomba nanaovany azy. In Mutiny ohatra namoaka lahatsoratra avy amin'ny Time [7] izay mandahatra ny paikan'i Rajapakse namaliana ny fiokoana.

Serendipity indray nitsikeera [8] ny fampahalalam-baovao tandrefana tsy nampiseho ny fahafalian'ny Srilankey maro sy nankalaza fandrenesana ny vaovaon'ny fiafaran'ity ady mangidy ity. Ampangain'ny mpamaham-bolongana ny fampahalalam-baovao tandrefana nanasongadina izay manaitaitra fotsiny amin'izay soratany ka manentana [9] ny tontolom-bolongana Srilankey izy hampifandanja kokoa amin'ny alalan'ny feony izao fitongilanana izao.

Hamaliana ny vaovao andrenesana ny vondrona Eoropeana mitady ny hananganana tribonaly hanadihady [10] ny fahafatesan'olo-tsotra nataon'ny miaramila Srilankey sy ny LTTE moa dia nihantsy izao tontolo izao ny The Whackster's Lair [11] ho avy any Sri Lanka hahita imaso mivantana izany lazaina fa famonoan'olona izany. Na izany aza dia misy ihany tsitaitaikana mpitolona Tamouls [12] nalaina an-keriny taterin'ny haino aman-jery.

Ho fitsikerana ny fandrarana ny mpanao gazety vahiny sy mpamonjy voina dia nosoratan'ilay mpanao gazety malaza John Pilger [13] fa tsy voarain'izao tontolo izao intsony ny fitarainan'ny Tamouls ary re mihitsy ny feon'ireo Tamouls an-tany lavitra. Teo ho eo moa dia tsikaritray fa nihalefy ny feon'ny mpanohana ny Tamouls noho ny fampitahorana sy ny tahotra [14].

Sujai ao amin'ny Desicritics dia tsy mpanohana ny LTTE fa manohana [15] ny hetahetan'ny Tamoul SriLankey hanangana firenena manokana ao amin'ny nosy ary manontany hoe:

“Can we ignore the history of how Tamils were targeted, discriminated, and marginalized in Sri Lanka? Does Sri Lanka have a prior record which suggests they are going welcome Tamils participation in that country? Can a Tamil become President of Sri Lanka the way a Sikh can become Prime Minister of India?”

Odiantsika tsy hita ve ny tantaran'ny nanondrotondroana, ny nanavakavahana, ary nanilikilihana ny Tamouls teto Sri Lanka? Moa ve hataon'i Sri Lanka ho laharam-pahamehana ny fandraisana anjaran'ny Tamouls eo amin'ny sehatry ny firenena? Moa mety mba ho filohan'i Sri Lanka ve ny Tamoul iray tahaka ny fisiana Sikh azo atao praiminisitr'i India?
Tamil protest in london, Image from Flickr by danie, under a CC license [16]

Fihetsiketseham-panoherana Tamoul any Londres, sary Flickr avy amin'i danie, fahazoan-dalana CC license

Musings from Toronto no manontany [17] ny fahohanan'ny Diaspora ny LTTE:

I don't understand why they support the LTTE. [..] I don't understand how they claim the LTTE is any better than the government of Sri Lanka.

Tsy azoko mihitsy ny antony hahohanany ny LTTE.[..] Tsy azoko ny itabatabany fa aleony ny LTTE toy izay ny governemantan'i Sri Lanka.

Saingy diso kosa ny eritreritra fa manohana ny LTTE avokoa ny Tamouls rehetra. Amardeep ao amin'ny Sepia Mutiny ohatra namoaka lahatsarin'ny [18] mpanao gazety Tamoul Kanadiana Ignatius Sellah miresaka ny fomba fijeriny hafa ao amin'ny CBC, ilazany fa nahetsiketsiky ny sampan'ny LTTE any Kanadà ity hetsikesika fanoherana ataon'ny Tamoul any Kanadà ity.

Ampiasain'ny LTTE tafahoatra ny teny tahaka ny “Genocide” (fandripaham-bahoaka) izay lasa manakona ny tena olana. Nilanjana ao amin'ny Sepia Mutiny no mitsonga ny fanosihosena ny zon'olombelona ataon'ny roa tonta dia ny Governemanta [19]SriLankey sy ny [19]LTTE ka nanoratra hoe [19]:

Terms like “genocide” (and “terrorism,” for that matter) raise our blood pressure and focus our attention on those who have committed violence, but they don’t even begin to address how minorities can be more effectively represented and fairly treated in the future.

Mampiakatra ny tosi-dràntsika sy mampifantoka antsika hitodika any amin'izay manao herisetra ny fandrenesana ny teny hoe “genocide” (fandripaham-bahoaka) (sy ny teny hoe “fampihorohoroana” ihany koa
dieny eto isika), nefa dia tsy mbola nilaza na inona na inona akory ry zareo ny amin'ny fitantanana tsy miangatra sy fampakaran-toerana ny vitsy an'isa amin'ny ho avy.

Indrajit Samarajiva ao amin'ny Indi.ca [20] indray miteny amin'ny Sri Lankey ampielezana:

It is not enough to lobby the UN or the ‘international community’ or the consciences of the fashionable thinkers of the global elite. [..]

To change Sri Lanka you need to reach the kid in the IDP camp, you need to work with the police office in Hambantota. You need to chat with the Muslims in Galle and the tea pluckers in Nuwara Eliya. [..]

Sri Lanka still needs its bright children to come home.

Tsy ampy ny fanerena ny Firenena Mikambana na ny ‘fiaraha-monina iraisam-pirenena’ na ny manampahaizana manerantany manandaza amin'izao fotoana izao.[..]Mila mamonjy ireo ankizy any amin'ny tobin'ny mpialokaloka, mila miara-miasa amin'ny polisy any Hambantota raha te-hanova an'i Sri Lanka. Mila miresadresaka amin'ireo Silamo any Galle sy ireo mpitsongo ravin-dite any Nuwara Eliya.

Mila ny zanany mamirapiratra hankany an-taindrazana i Sri Lanka.

Gaga [21] amin'ny “fihetsiketsehan'ny tanora avy amin'ny diaspora Tamoul manerantany hanoherana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Srilankey” i Gunaratne ao amin'ny Groundviews nefa moa ve ny laharam-pahamehana tsy ny hamaranana hatreo ny ranomodin'ny fankahalana?

Maybe once the conflict is over, they will come back to Sri Lanka to rebuild the country together. However, there is long way to go for reconciliation between the two communities as so much hatred has manifested, especially amongst the Diaspora overseas.

Angamba hody hiara-hanangana an'i Sri Lanka indray ry zareo amin'izao fahataperan'ny ady izao. Na izany aza dia mbola lavitra ny lalana mankamin'ny fampihavanana ny foko roa tonta fa efa mibaribary ny fahnkahalana, indrindra moa fa eo amin'ireo izay any am-pielezana.

Ny toro-hevitr'i Appu's amin'ny Tamoul dia dia ny mba manandrana manao zavatra hafa indray [22]:

Invest in your people, your lands, your future. You work wonders for your employers in other parts of the World, now do it for yourselves.

To do that however, you need to walk away from the bitterness that you are entitled to feel.

Mampiasà vola any amin'ny vahoakanao, any amin'ny taninao, amin'ny ho avinao. Mahafaly ny mpampiasa any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao ny asanay, ankehitriny miasà ho an'ny tenanao.Raha hanao izany kosa anefa dia mila miala amin'ny fangidiam-panahy izay asandratrao ho tsapanao ianao.

Saingy ahoana moa ny hanifihana ny fangidiam-panahy sy ny fahakiviana raha mbola mitohy ihany ny tatitra isian'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona? Araka ny tatitra farany dia atao an-keriny ny vehivavy ary “nanjavona”ny lehilahy [23] any amin'ny tobin'ny mpifindra monina Srilankey ary voarara tsy mahazo miditra [24] any ny vokovoko mena. Efa manombokamipoitra ihany koa ny valifatin'ny Tamouls [25]. Noho izany mbola mitoetra amin'ireo Tamouls ampielezana ihany ny fahakiviana sy ny tahotra. mampanahy dia mampanahy tokoa ny ho avin'ireo mpialokaloka any amin'ny toby. Aoka ho fantatr'izao tontolo izao ny toe-draharaha handraisany fanapahan-kevitra hampitsaharana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ary izorana kosa amin'ny karazana fampihavanana.

Rezwan [26]