Iran: ex-mpiambina revolisionera mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mampiasa aterineto kely

Kandidà efatra no neken'ny Filan-kevitry ny mpiambina tamin'ny alarobia ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 jona ho avy izao. rezaie1
Ireo efatra farany voafantina avy amin'ireo an-jatony nirotsaka hifaninana moa dia ny filoha mitondra amin'izao fotoana izao Mahmoud Ahmadinejad, ny praiminisitra teo aloha Mir-Hossein Mousavi, ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha Mehdi Karroubi ary ny lehiben'ny Mpiambina Revolisionera teo aloha, Mohsen Rezai.
Vao tsy ela moa i Mohsen Rezai no nitsikera ny politikan'i Ahmadinjead ary nitenenany fa manokatra ny fiara-midinika amin'i Etazonia izy. Efa nokianiny ihany koa ny tsy nahazoan'ny fitondram-panjakana Iraniana ny vidin-tsolika mitentina $1 miliara, ary manolotena izy hanao izay hahazoana ny vola rehefa voafidy.

Namoaka ny lahatsary ahitana ny kabarin'i Rezai mamaly ny vitsy an'isa Sonita ao amin'ny goverenmanta Iraniana i Digital Kalashinkof, mpamaham-bolongana Iraniana sady mpanao gazety. Nolazain'i Rezai ary fa “manohitra ny andrim-panavakavahana rehetra izyary hifampizara andraikitra amin'izy ireo.” Tsy misy minisitra Sonita moa amin'izao fotoana izao ao amin'ny governemanta Iraniana.

Mampiasa ny atrineto i Mohsen Rezai sy ny mpanohana azy hampivoatra ny fampielezan-keviny, saingy maivana ihany ny teti-panorona niomerikany mitaha amin'ireo telo hafa mifaninana aminy, ary tsy dia maro loatra ny mpamaham-bolongana mpanohana.

Mizara sokajy telo ny bolongan'ny mpanohana an'i Reazi ao amin'ny vohikalany manokana:

1- Bolongana miompana amin'ny adin'i Iran sy Iraq: vondrom-bolongana te-hahatsiaro sy hanome voninahitra ireo Iraniana niady nandritra ny adiny tamin'i Iraq nandritra ny taom-polo 1980 ireo. Ao amin'ny vohikalan'i Rezai dia nosokajiana ho eo ambanin'ny anarana hoe ‘Fiarovana Masina’ izy ireo. Iray amin'ireo bolongana ireo i Nasleh Hamseh. Nolazain'io [fa] mpamaham-bolongana io momba an'i Rezai fa ny finoany sy ny hajany no tena loharanon-keriny. Tiany ampiasaina hampandrosoana ny firenena izany.

2-Bolongan'ny eo an-toerana: Nangonin'i Rezai ho eo ambanin'ny anarana hoe mponin'i Zagros (tangoron-tendrombohitra) ireo bolonagana ireo. Mazava fa notovozina avy amin'ny fokom-piavian'i Rezai io. Farzande Zagros ( Midika hoe zanak'i Zagros) no manoratra [fa] momba ny kabarin'i Rezai mampiseho ny fikasany hanangana governemanta iaraha-miasa amin'ny filoha Iraniana teo aloha to an'i Khatami sy Rafsanjani.

3-Vondrom-bolongana mifangaro: ny vondrom-bolongana fahatelo kosa dia napetrany teo ambanin'ny lohateny hoe “bolongan'ny mpanohana” ao amin'ny vohikalan'i Rezai. Maro amin'izy ireo no natsangana mba hanasongadina ny fampielezan-kevitra fotsiny. Ao no ahitan-tsika ny bolongan'ny mpanohana iray tanàna tahaka an'i Mpanohana an'i Rezai eto Isfahan na Zanaky ny Firenena.

Maivana ny fampielzan-kevitra an-tseraseran'i Rezai raha ampitahaina amin'ireo an'ny telo hafa. Tsikaritra fa mailaka noho ny lehiben'ny Mpiambina Revolisionera teo aloha ny kandidà hafa mampiasa ny fitaovana niomerika sy ny herin'ny aterineto.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.