- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, R.D. Kongo, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete [1].

Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny Lalàna momba ny harena an-kibon'ny tany mifandraika amin'ny ady ao Kôngô 2009 [2] , izay mitaky amin'ny orinasa amerikana [3] mitrandraka coltan, cassiterite, ary wolframite hanao tatitra isan-taona amin'ny the Security and Exchange Commission (SEC) na vaomieran'ny fifanakalozana sy ny fiarovana amerikana, sampanasa mandrindra ny tsenam-bola Amerikana, “hanambara amin'ny Security and Exchange Commission ny firenena niavian'ny harena an-kibon'ny tany. Raha toa ka avy ao RDC na firenena manodidina ny harena an-kibon'ny tany, dia manana adidy hanambara ny toeram-pitrandrahana ny orinasa.”

Araka ny fanambarana nivoaka avy tao amin'ny vohikalan'ny senatera Brownback, dia “antso atao amin'ny USA hanohana ny ezaka fiaraha-mientana hanadihadiana, hanaraha-maso, ary hanakana ny asa mifandraika amin'ny harena voajanahary mampiroborobo ny asan-jiolahy mitam-piadiana manosihosy ny zon'olombelona” no anton'ny lalàna

Manantena i Engwete [1] fa hitera-boka-tsoa any an-tsehatra ity fanaraha-maso ity:

Espérons qu’après la signature de cette loi par Obama on ne verra plus des bandits transformer l’autoroute de Walikale en aérodrome de fortune.

Il y a un mois, un reportage de TV5MONDE avait établi que des éléments armés pillaient systématiquement la cassitérite à Walikale avec la complicité de Kinshasa. Pis, ces éléments armés avaient réduit à l’esclavage les villageois creuseurs de ce minerais en leur imposant des taxes fantaisistes, des droits de péage, des « droits d’entrée » dans les mines artisanales et des prix arbitraires du kilo du minerais extrait — et ce, au nez et à la barbe du chef de division des mines terré à Goma.

Antenaina fa tsy ho hita intsony ireo jiolahy manova ny araben'i Walikale ho lasa seranam-piaramanidina vonjimaika (jereo eto ny sary [1]).

Iray volana lasa izay nandritra ny fandaharana fanadihadiana tao amin'ny TV5MONDE no nahitana ireo olona mitam-piadiana miray tsikombakomba amin'i Kinshasa tsy mitsaha-mandroba ny cassiterite [4] any Walikale [5] [any Kivu Avaratra [6]]. Ny tena loza dia andeozin'ireo olona mitam-piadiana ireo ny tambaivohitra mpitrandraka amin'ny fanerena azy ireo handoa hetra noforomporonina, haban-dalana, “vidim-pidirana” any amin'ny toeram-pitrandrahana ary ny fividianana araka izay vidiny tiany atao ny kilaon'ny vokatra notrandrahana–nefa izany dia eo an-tendron'oron'ny lehiben'ny harena an-kiboon'ny tany ao Goma.

Jennifer Brea [7]