Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete.
Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny Lalàna momba ny harena an-kibon'ny tany mifandraika amin'ny ady ao Kôngô 2009 , izay mitaky amin'ny orinasa amerikana mitrandraka coltan, cassiterite, ary wolframite hanao tatitra isan-taona amin'ny the Security and Exchange Commission (SEC) na vaomieran'ny fifanakalozana sy ny fiarovana amerikana, sampanasa mandrindra ny tsenam-bola Amerikana, “hanambara amin'ny Security and Exchange Commission ny firenena niavian'ny harena an-kibon'ny tany. Raha toa ka avy ao RDC na firenena manodidina ny harena an-kibon'ny tany, dia manana adidy hanambara ny toeram-pitrandrahana ny orinasa.”
Araka ny fanambarana nivoaka avy tao amin'ny vohikalan'ny senatera Brownback, dia “antso atao amin'ny USA hanohana ny ezaka fiaraha-mientana hanadihadiana, hanaraha-maso, ary hanakana ny asa mifandraika amin'ny harena voajanahary mampiroborobo ny asan-jiolahy mitam-piadiana manosihosy ny zon'olombelona” no anton'ny lalàna
Manantena i Engwete fa hitera-boka-tsoa any an-tsehatra ity fanaraha-maso ity:
Espérons qu’après la signature de cette loi par Obama on ne verra plus des bandits transformer l’autoroute de Walikale en aérodrome de fortune.
Il y a un mois, un reportage de TV5MONDE avait établi que des éléments armés pillaient systématiquement la cassitérite à Walikale avec la complicité de Kinshasa. Pis, ces éléments armés avaient réduit à l’esclavage les villageois creuseurs de ce minerais en leur imposant des taxes fantaisistes, des droits de péage, des « droits d’entrée » dans les mines artisanales et des prix arbitraires du kilo du minerais extrait — et ce, au nez et à la barbe du chef de division des mines terré à Goma.
Antenaina fa tsy ho hita intsony ireo jiolahy manova ny araben'i Walikale ho lasa seranam-piaramanidina vonjimaika (jereo eto ny sary).
Iray volana lasa izay nandritra ny fandaharana fanadihadiana tao amin'ny TV5MONDE no nahitana ireo olona mitam-piadiana miray tsikombakomba amin'i Kinshasa tsy mitsaha-mandroba ny cassiterite any Walikale [any Kivu Avaratra]. Ny tena loza dia andeozin'ireo olona mitam-piadiana ireo ny tambaivohitra mpitrandraka amin'ny fanerena azy ireo handoa hetra noforomporonina, haban-dalana, “vidim-pidirana” any amin'ny toeram-pitrandrahana ary ny fividianana araka izay vidiny tiany atao ny kilaon'ny vokatra notrandrahana–nefa izany dia eo an-tendron'oron'ny lehiben'ny harena an-kiboon'ny tany ao Goma.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...