Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena

campaign88Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi.

Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny “fampielezan-kevitra 88″ ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i Karroubi i Mohmmad Ali Abtahi izay filoha lefitra teo aloha sady mpamaham-bolongana miasa dia miasa ihany koa.

Niantso ny mpitondra tenin'ny antenimiera hoe “Barack Karroubi” i Nik Ahang, mpamaham-bolongana sady mpanaosariitatra Iraniana satria itrikitrihany fa kandidàn'ny “fiovana” izy. Ary dia nanoritroritra ny sariny rahateo ny mpamahambolongana. Miantso [fa] fampitsaharana ny famonoana ho faty ny zaza tsy ampy taona i Karroubi ary manolotena hanangana fahalalahana kokoa ho an'ny firenena. Misolovava ho amin'ny fifandraisana iraisampirenena ihany koa izy.

Raha mijery ny Facebook isika dia hahita lahatsary maro misy an'i Karroubi sy ny mpanolotsainany momba ny fifidianana. Ao amin'ny sarimihetsika iray amin'ireo no ahitana an'i Karroubi mitantara fa zavamisy ny Holocaust (Shoah na fandripahana ny Jiosy). Io no mametraka azy ho Kandidà tokana milaza mazava ny heviny amin'io raharaha io.

Ahitana ny sarin'i Karroubi maro dia maro miatrika fihaonambe noteteziny manerana ny firenena sy ny fitsapan-kevitra an-tserasera momba ny fifidianana ihany koa ao.

Fa mbola tsy mihoatra ny 300 ny mpikambana mpanohana an'i Karroubi ao amin'ny Facebook.

Marihin'i Reset, mpamaham-bolongana Iraniana iray ny antony maro isafidianany an'i Karroubi. Nolazain'i mpamaham-bolongana fa ny mpanolotsainany irery no miresaka ny tsy maintsy ilàna aterineto haingam-pitosaka ho an'i Iran.

Maro ny bolongana mitsangana ho fanohanana ny firotsahan'i Karroubi saingy tsinontsinona izany miohatra amin'ny hamaroan'ny mpamaham-bolongana manohana ny mpifaninana aminy, Mir Hussein Mousavi.

Iray amin'izany bolongana izany ny Bolongan'ny manohana an'i Karroubi. Mitantara ny vaovao momba ny kandidà akaiky azy indrindra.

Mohmmad Ali Abtahi moa niteny [fa] tao amin'ny bolongany fa nampitandrina ny hery miaramila tsy hitsabaka ao amin'ny fifidianana i Karroubi.

Ny mahaliana ihany koa dia tsy irery i Mehdi Karroubi amin'ny sarim-pampielezan-kevitra hita ery ambony ery. Hita an-tsary miaraka amin'ny Ben'ny tanànan'i Teheran teo aloha, Gholamhossein Karbasschi ao anaty faribolana andamosiny. Angamba tsy ny hiaka “change” (fiovana) ihany no nindraminy avy amin'ny fifidianana Amerikana.

Moa ve foroniny tsy amin'ny fomba ofisialy ny fisiana mpiara-miasa (amin'ny fifidianana)?

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.