Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404

Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety Kanadiana iray mampiseho ny fividianan'ny vinaton'ny filoha Toniziana antsoina hoe Mohamed Sakhr El Matri villa iray any Canada tamin'ny volabe tokoa – vaovao izay tian'ny fitondrana Toniziana afenina amin'ny vahoakany. Maro tamin'ny mpamaham-bolongana no niresakamomba ity sivana ity ary manameloka ihany koa.

Samsoum ohatra:

Le blog de 3amrouch a été censure car il a repris une information publique sur un journal canadien qui est accessible a tout le monde. Par solidarité je publie aussi le lien vers ce journal qui cite dans sa page 10 la transaction immobilière qu'on veut cacher a tout prix. Et qu'on censure ce blog aussi!!!

Tratran'ny sivana ny bolongan'i 3amrouch’s fa namoaka vaovao avy tamin'ny gazety Kanadiana iray izay azon'ny rehetra vidiana.Ho fiaraha-mientana dia navoakako ny rohin'ny gazety izay mamoaka ao amin'ny pejy fahafolo ny fifampiraharahana izay tadiavina afenina ny tetibidiny. Avelao koa hosivaniny ity bolongana ity!!!

Thoughts of an ex-Muslim (eritreritr'ilay miozolomana taloha) koa:

مادام لم يدع لكره أو عنف أو ارهاب ،
لا للحجب دون قرار قضائي واضح و علني و مسبب، لا للحجب بسبب نقد مظاهر الفساد ، الغبي الذي اتخذ القرار تقفيفا لسيدي بوحجر انما خدم عمروش و أضر سيده الصغير
Raha tsy miantsy fankahalana, herisetra na fampihorohoroana dia aoka tsy hosivanina raha tsy misy fanapahan-kevitra ara-pitsarana matotra sy mazava. Aza manivana izay mitsikera ireo trangan-kolikoly. Niasa ho an'i 3amrouch hanala baraka ny tompon-keliny ilay adala nandray ny fanapahan-kevitra hampihatra ny sivana hisolelafana amin'i Sidi Bouhjar (anarana omena an'i Sakhr El Materi).

Ordinary stories (tantara mahazatra) indray milaza fa:

المدونة متاع عمروش تم حجبها لأنها تناولت موضوع ما عجبش المسؤولين على أمننا وسلامتنا
قد ما قلنا ونددنا بهذه الممارسات، عمار ما فهمش، ما هوش فاهم وماهوش ناوي يفهم
هذاك علاش، تضامنا مع المدونة المحجوبة باش نعاود ننشر الموضوع إلي أغلب الظن أنه كان السبب وراء عملية الحجب
Niharan'ny sivana ny bolongan'i 3amrouch's satria niresaka lohahevitra tsy azoazon'ny mpiandraikitra ny fiarovana sy ny filaminantsika. Na dia melohintsika aza izany fomba izany, dia tsy azon'i Ammar. Efa tsy nahazo izy io ary mbola tsy mahazo ihany. Izay no antony amoahako io lohahevitra io izay mety ho anton'ny sivana.

Lina Ben Mhenni

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.