17 Mey 2009

Tantara tamin'ny 17 Mey 2009

Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana

  17 Mey 2009

Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis,...

Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena

  17 Mey 2009

Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi. Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny “fampielezan-kevitra 88″ ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i...

Tonizia: Miverina manivana bolongana indray i Ammar 404

  17 Mey 2009

Niverina namely ny tontolom-bolongana Toniziana indray rehefa nitsahatra vetivety i Ammar 404. Ammar moa no anaram-bositra omen'ny mpamaham-bolongana Toniziana ilay milina mpanakana ny fijerena vohikala ka ny tratrany tamin'ity indray mitoraka ity dia i Zig Zag bolongan'i 3amrouch. Hita fa voasivana ny bolongana rehefa namoaka tamin'ny alalan'ny dikantsary ny Gazety...

Arabia Saodita: Hanohintohina ny Hajj ve ny gripan-kisoa?

  17 Mey 2009

Silamo anarivoarivony no mizotra isan-taona mankany Lameka hanatontosa Hajj (fivahiniana masina), iray amin'ny andry dimin'ny finoana Islamo. Ho voantohintohin'ny viriosy A/H1N1 na ny gripan-kisoa ve ny Hajj amin'ity indray mitoraka ity? Mametraka ny heviny ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra. Ao amin'ny CrossRoads Arabia, i John Burgess no manazava: Mpikaroka Saodiana...