Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

11 Mey 2009

Tantara tamin'ny 11 Mey 2009

Rosia : Tatitra fanampiny mikasika ny fipoahana nitranga tany Moskoa

Indreto tatitra hafa fanampiny mikasika ilay doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 : Andrei Kharlanov izay sady nametraka lahatsary ao amin'ny Youtube no nitatitra nivantana tamin'ny alalan'ny Twitter @andreikharlanov izay narahin-tsary koa;  Mpivoy LJ [LiveJournal] q-u-a-t-t-r-o (monina 1.5 km ny toerana nitrangan'ny voina dia...

Rosia : Fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa

Manapariaka sary mitatitra ny doro trano vokatry ny fipoahan'ny fantsona famatsiana etona tany Moskoa tamin'ny 9 May ireo mpiblaogy Rosiana. Tsidiho ireo blaogy samihafa anivon'ny LiveJournal :  buchwurm,  goodwine, principiale,  maroot,  volland. Misy koa lahatsary napetraky HorseWhispererRF azonao jerena ao amin'ny YouTube.

Arabia Saodita: Tafio-drivotra iray voarakitra an-tsary

Fakantsary tsotra sy fandraisana sarimihetsika eny an-tanany, nandrakitra tafio-drivotra mahery vaika niharo fasika namely  an'i Riyad renivohitra ireo mpitoraka blaogy saodiana,izay tsy nahita-mitsinjo na dia metatra vitsy monja eo akaiky eo aza ary dia nitsahatra teo koa ny endri-piainana rehetra. Ao amin'ny YouTube, i Riyadh Travels dia nametraka ity sarimihetsika ity...