- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordana: Manakaiky ny fitorahana blaogy momba ny Andro ho an'i Jordana

Sokajy: Jordania, Hafanàm-po nomerika
Nanombola ny Blaogy momba ny Andro ho an'i Jordana,  fandraisana andraikitra nataon'i Qwaider [1] efa hatramin’ny taona 2008.  Ny 12 Marsa isan-taona no andro nofidian'ireo mpitoraka blaogy Jordaniana na tsia, entina anoratana momba an’i Jordana.
Avy ao amin’ny teny nentin’ireo mpitoraka blaogy tompon'ity hevitra  ity, hoy i Qwaider [1] :

“ity indray ilay andro isan-taona. Martsa dia volana ho an'ny fitorahana blaogy momba ny Andro ho an'i Jordana. Ny faha 13 Martsa raha ny tena marina. Hiavaka kokoa ity taona ity raha mitaha amin'ny teo aloha.”

Vondrona iray  ao amin'ny Facebook [2] momba ity Andro ity no milaza hoe:

Ity no fandraisana andraikitra ho fanombohan-javatra izay irariana hitondra fanantenana  ho an'ireo taona maro hifandimby. Ny faha 12 Marsa Isan-taona dia homena anarana hoe: fitorahana blaogy  ho an’ny andro ho an'i Jordana.

Ny fandaharana mivantana mandritra io Andro io  dia hita ato. [3] 123- Jordan, na  BAJD no nahasarika be indrindra tamin'ny taona lasa na izany teto amin'ny aterineto na offline, toy ny hetsika nataon’ny fampielezam-peo iray tao an-toerana nampiantso mpitoraka blaogy maro hiara-hiresadresaka momba io hetsika io. Dia miandry sisa isika raha hahita fahombiazana koa ny  BAJD andiany faha-2. Ho eo foana izahay hampita hatrany ny hafatra ho anao!