- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura’

Sokajy: Japana, Makedonia, Foko sy Fiaviana, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura [1], fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny ‘cerisiers’ izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa [2] satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa.

Origami workshop during the celebration of Sakura in Skopje, Macedonia. April 25, 2009. Photo by Irena Efremovska. [3]

Fanaovana ‘Origami’ (kilalao vita amin'ny taratasy) nandritra ny fankalazàna ny Sakura tany Skopje, any Masedonia. Sary: Irena Efremovska.

Araka ny fombafomba natsangana tamin’ny taon-dasa, nanambara [4] tao amin’ny blaoginy ny hetsika i Bi [MKD] tamin’ny fampiasàna sary mahafinaritra, ary nampita [5] ny hafatr’ [6] [MKD] ireo mpitoraka blaogy maro hafa, toa an-dry Volan sy Razvigor. Nanambara [7] [MKD] izany hetsika izany koa ny mpanoratra ny pejy fandraisan’ny Blogeraj [8], sehatra fitorahana blaogy voalohany any Masedonia, tamin’ny fampiasana ny iray tamin’ireo sary tahirin’i Volan. Ho fanampin’izany, nanome fanolorana tamin’ny fombany manokana i Agnes tamin’ny famoahana tononkalo mitondra ny lohateny hoe Sakura [9] [MKD] andro vitsivitsy mialoha.

Kids performing karate kata during Sakura celebration in Skopje, Macedonia. April 25, 2009. Photo by Irena Efremovska. [10]

Ankizy manao Karate nandritra ny fankalazàna ny Sakura tany Skopje, any Macedonia. Sary: Irena Efremovska.

Tao anatin’ny fandaharam-potoana, nalamin’ny Federasiona Masedonianan’ny Kendo-Iaidō [11] niara-niasa tamin’ny Samurai Dojo [12] ary notohanan’ny Tanànan’i Skopje [13], ny fanaovana katas [14]-‘na ‘arts martiaux’ sy origami.

Ny ankabeazan’ireo mpitoraka blaogy nanatrika ny hetsika dia namoaka rantin-tsary na sary andrana. Niala tsiny [15] [MKD] mihitsy aza i Volan, izay mampiasa ny blaoginy hanoratana ‘lahatsoratra tsy ofisialy’ ho an’ny vahoaka, tamin’ny famoahana sary vitsy noho ny mahazatra, noho izy tara vao tonga teny an-toerana.

Zoriv, mpitoraka blaogy maintimolaly hafa, dia namoaka ny sariny momba ny Sakura toy ny ampahany amin’ny tatitra nataony [16] [MKD] momba ny fitsangatsanganana nandritra ny Sabotsy tao afovoan-tanànan’i Skopje, nampitahana ny fotodrafitrasa teo an-toerana sy ny seho ara-kolontsaina niaraka tamin'ireo mpandray anjara vahiny’.

Araka ny ambara ao amin’ny Japan@Mk blog [17] [MKD], dia mbola hitohy ny Sakura ny 30 Aprily, ka hisy fihetsiketsehana hatao ao anatin’ny Cultural Center CK, toy ny hira Japone, tsianjery haiku, fampirantiana ‘manga’ [sary ampiainina fijerin'ny ankizy] ary fandefasana sarimiaina Japone.

Sakura participants leaving the scene. Photo by Irena Efremovska [18]

Mpandray anjara tamin’ny Sakura handeha hody. Sary: Irena Efremovska