- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Siria : Fanehoan-kevitra taorian'ny fanapàhana (=didy) navoakan'ny Tribonaly manokana momba an'i Libanona

Sokajy: Libanona, Syria, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Politika

Ny Tribonaly manokan'ny Firenena Mikambana momba an'i Libanona [1] dia nandidy androany ny hamoàhana malalaka ireo olona efatra voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana ny Praiminisitra Libane teo aloha Rafiq Hariri, tamin'ny 14 febroary 2005, tao Beyrouth. Siria no notondroin'ny rehetra ho tompon'antoka, izay nitarika faharisarisan'ny fifandraisany tamin'ny Tandrefana, tonga hatrany amin'ny fampodian'ny fitantànan'ingahy Bush ny Masoivohony tany Damas.

 Ireo libane efatra ireo dia jeneraly nitarika ny sampam-piarovana libaney sy tao amin'ny sampana mpanadihady teo ambany fiahiana siriana avokoa tamin'ireny fotoana namonoan'ny sasany an'i Rafiq Hariri ireny, araka ny tatitra an-gazety.

Sasa avy amin'ny The Syrian News Wire dia faly tokoa nandray io fanapàhana io, notateriny sy naràhany tao amin'ny blaoginy [2] sy ny  Twitter-ny [3] arakaraky ny fivoaran'ny toe-draharaha. Hoy izy manoratra [4]:

 Na dia mety mbola ho voaheloka aza izy ireo any aoriana, raha jerena lalina, manadio an'i Siria iny ary manàla mihitsy koa ny antom-pisian'ny Tribonaly manokan'ny Firenena Mikambana.

Ireo olona efatra ireo dia notànana am-ponja tsy nisy fitsaràna nandritry ny telo taona. Nihevitra ny ho afaka mitondra porofo i Libanona – ny Firenena Mikambana nilaza fa tsy misy fototra tokony hitondràna azy ireo eo anatrehan'ny fitsaràna.

Raha momba an'i 3abdulsalam kosa, kianiny ny tribonaly sy ny vondron'ny 14 mars izay nitaky azy ity. Hoy izy [5] [ar]:

بعد حبس استمر ثلاث سنوات الضباط الأربع أحرار بناء على قرار من المحكمة الدولية التي كلفت لبنان مبالغ فلكية نرجوا ألا تذهب سدى خصوصا أن بوادرها لاحت بما لا يشتهي فريق 14 الشهر.

وهل سيكون عداد انتظار الحقيقة وشعار الحرية والسيادة والإستقلال ومجموع الإتهامات التي لم تعرف سوى مسار واحد والمطالبة المحمومة بقيام المحكمة الدولية حصير الشوك الذي غزلوه بيديهم؟

 Taorian'ny famonjàna telo taona azy ireo, dia afaka ireo manamboninahitra efatra noho ny  didin'ny tribonaly iraisam-pirenena izay nandanian'i Libanona vola tsy hita noanoa, izay antenaintsika fa tsy ho verivery maina fotsiny,indrindra indrindra fa ankehitriny, nàka kihon-dàlana izay tsy hahafaly velively ny Vondron'ny 14 Mars  [6] ny Tribonaly .

Ny teny baiko entim-mitady ny marina, ny teny filamatra “fahafahana, fahaleovantena sy fiandriànana”, ireo fanamelohana mandeha làlan-tokana sy ireo fangatàhana mivaivay nataona tribonaly iraisam-pirenena ve hifotitra amin'izy ireo ihany?

Taorian'io fanambaràna io, ilay mpitoraka blaogy libane Qifa Nabki [7]  dia nitatitra tamin'ny alalan'ny Twitte [8]r fa hoe nahare  “poa-basim-piravoravoana” tao Beyrouth :

qn

Tsy mbola ho rahampitso no hifaranan'ity tantara ity, saingy efa nahitàna taratra kosa fa nisy dingana iray vita ho famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana eo amin'i Siria sy Libanona