Chine: aretin-tsaina manoloana ny toetry ny Sinoa

Mpikaroka ao amin'ny sampam-pitsaboana mifandraika amin'ny lalàna avy ao amin'ny anjerimanontolon'i Pékin antsoina hoe Sun Dongdong no nilaza tao amin'ny China News Weekly ny 23 martsa lasa teo fa 99% ny Sinoa mpanao fitakiana no marary saina ary tohanany ny fampidirana azy ireo an-terisetra any amin'ny toeram-pitsaboana.

Vaovao farany (ny 08 arpily tamin'ny 08:00): nandroso soson-kevitra ny amin'ny hanafoanan'ny mpamorona sita web ny antso eo amin'ny fidirana sy ny ady hevitra ny mpikarakara internet kanefa kosa tsy hanafoana tanteraka ny lahatsoratra rehetra (via twitpic):

sun-notice

Dikan-teny:

Ny 23 martsa, ny mpikaroka ao amin'ny anjerimanontolon'i Pékin, manam-pahaizana manokana momba ny aretin-tsaina no nilaza tao amin'ny China News Weekly fa “99% ny Sinoa mpanao fitakiana no manana olana ara-tsaina”. Niteraka resa-be avy hatrany ity vaovao ity.

Ny vaovao rehetra sy ny lahatsoratra rehetra mikasika na mandamina na mamoaka vaovao mahakasika ity resaka nataon'ny Sun Dongdong ity dia tsy maintsy fafàna daholo. Tsy voakasik'ity fe-petra ity kosa ny resaka ankapobeny sy ny vaovao. Aoka tsy afangaro ny vaovao mikasika izay tsy antso. Aza hadino izany! Azafady, soniavo handraisanao azy.

Vaovao hafa (ny 08 aprily 2009 tamin'ny 7:30): nisy sera mailaka nanentana hanangona sonia hanerena ny Ministeran'ny Fahasalamana hanafoana ny antom-pijoroan'ny mpikaroka ao amin'ny Sun.

Iza no tena marary saina?

Vaovao farany (08 aprily 2009 tamin'ny 06:30): ny faran'ny herinandro teo dia nivory teo ivelan'ny vavahady antsinanan'ny anjerimanontolon'i Pékin ny mpanao fitakiana sasantsasany avy any Beijing. Naneho ny tsy hafaliany izy ireo. Teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana kanefa tsy nisy ny korontana. Noho izany, iza no tena marary saina? Maneho ny heviny amin'ny alalan'ny fihetsika ireto mpanao fitakiana ireto (picture via 163.com):

beida-westgate


Aretin-tsaina manoloana ny toetry ny Sinoa?

Insreto ny teny sasantsasany nataon'ny Sun voarain'ni Gen Wen tao amin'ny China News Weekly:

对那些老上访专业户,我负责任地说,不说100%吧,至少99%以上精神有问题——都是偏执型精神障碍!

他们为了实现一个妄想症状可以抛家舍业,不惜一切代价上访。你们可以去调查那些很偏执地上访的人。他反映的问题实际上都解决了,甚至根本就没有问题。

把他(们)送到医院就是(对他们人权的)最大的保障。

Ankoatr'ireo mpanao fitakiana efa matihanina dia ambarako etoana fa 99%, raha tsy 100%, no manana olana ara-tsaina – adala sy mikorotan-tsaina avokoa izy rehetra!

Mba hahatonga ny fahadalany ho marina kokoa dia afaka miala ny ankohonany izy ireo ary mandoa ny saran'ny fitakiany. Afaka manao fikarohana lalindalina kokoa ianao amin'ny aretin'ireto mpanao fitakiana ireto, satria ny olana napetrany tany aloha dia efa voavaha ary tsy manana olana intsony izy ireo ankehitriny.

Ny fandefasana azy ireo any amin'ny toeram-pitsaboana ihany no fiarovana azy ireo (amin'ny maha olona azy).

Manondro ny mpitoraka bilaogy fa efa fanavakavahana izao ataon'ny Sun izao. Niombonany tamin'ny olona maro izany hevitra izany ary manery an'ny Sun izy ireo hiala tsiny araka ny hita ao amin'ny chinanews.com ny 6 aprily:

Ny sasany amin'ireo voalazako (amin'ny nolazaiko tao amin'ny magazine) dia tsy mety loatra, ary niteraka tsy fifahazahoan-kevitra sy tsy fifanarahana. Manenina ny amin'ireny aho. Raha nandratra ny sasany amin'ny olona ny zavatra nolazaiko dia mangataka fifonana marina aminareo aho. Ary manantena fa hahazo canal ara-dalàna ireto mpanao fitakiana ireto hamahany ny olany.

Dikan-teny China Digital Times

Hazavao ny hevitrao azafady!

Na izany aza dia tsy mankasitraka ny fifonany ny olona sasany ary mangataka fanazavana ny teniny. Nanoratra taratasy misokatra ho an'ny Sun avy amin'i Weng Yenhai avy any Aizhixing Institute of Health Education any Beijing i Beifeng:

1、难道仅仅是“语言表述不当”吗?如果你认为是语言表述不当,那么能否现在详细地阐述一下你对相关上访者和精神疾病关系的立场?你对上访者、上访专业户、老上访专业户究竟如何看待?你认为哪些人患有“偏执型精神病”?你认为应该如何对待上访者?如何对待上访者中的精神病患者?我认为,你如果发表一个谴责滥用精神病学迫害上访者的声明,你会得到原谅的。

2、人们对你有“误解”吗?在哪里误解你了?
另外,人们普遍关心你作为我国精神卫生立法工作的专家在立场工作中的立场和意见。能否给大众说明一下?说明一下在你中国精神卫生立法中的工作职责和你对不同问题的立场意见。
请说明。此信函抄送两个我经常使用的邮件组。

1. Izao ve no fomba firesaka? Raha eritreretinao fa hamoahana ny olana, afaka valabelarinao ve ny hevitrao mikasika ny fifandraisan'ny mpanao fitakiana sy ny aretin-tsaina? Inona no hevitrao manoloana ny mpanao fitakiana, sy ireo efa matihanina? Iza no adala? Inona no tena lalana hitondranao ny mpanao fitakiana? Ary inona no hatao hitsaboanao ireo marary saina? Raha efa nisy zavatra natao hanajanonana ny aretin-tsaina mikiky ireto mpanao fitakiana dia mamela anao aho.

2. Tsy mahatakatra ny tianao hambar ave ny olona? Taiza ho aiza no nandikany vilana ny tianao holazaina?
Ambonin'izany dia liana ny amin'ny toerana raisinao sy ny hevitrao amin'ny maha-matihanina anao amin'ny fitsaboana mifandraika amin'ny lalàna anao ny olona. Aoka tsy holazaina intsony izany amin'ny manaraka. Nadikako tamin'ny antoko seramailaka anankiroa ity taratasy ity.

Mpampianatra biby

Ao amin'ny ady hevitra nataon'i Ifeng dia nahitana fanamarihana manodidina ny 9884 mikasika iny resaka Sun iny, indreto ny sasany amin'izany:

Avy any Chongqin nosoratany ny 3 aprily ary notohanana 2705:

孙东东教授肯定精神有问题,要不怎么会提出这样的没有常识、没有人性、没有的问题?!!!真是“臭不要脸”。

Tena marary saina ny Sun Dongdong, fa raha tsy izany tsy nahavita niteniteny foana sy tsy miantra ary milaza zavatra tsy misy fotony tahaka izao?!!! Tena mahamenatra.

Avy any Shandong nosoratany ny 3 aprily ary notohanana 2705:

别胡扯了,99%的上访者都是有冤屈得不到妥善的解决。这个黑暗混乱的社会,在农村的不公平事件尤为严重,农村大多数穷的要命,而干部们却腐败横行,帐务混乱,土地乱卖。腐败如此下去,中华民族确实就没有希望了、、、、、、、、、

Aza atao lasibatra ny olona, 99% ny mpanao fitakiana no mangirifiry vokatry ny fanakianana tsy mitombina. Tena mbola mikorontana sady maizina ny fiaraha-monina, indrindra ho an'ny eny ambanivohitra, mbola mampiahiahy ny fitsarana marina. Mahantra ny tsantsaha kanefa manao kolikoky ny governemanta. mampalahelo ny momba azy ary amidin'izy ireo tsy misy indrafo ny tanin'ny tantsaha. raha mbola mitohy ny kolikoly tahaka izany dia tsy hanana fanantenana intsony ny Sinoa…

Avy any Chine navoaka ny 3 aprily notohanana 1760:

天呀!!!这就是北大教兽!!!

Andriamanitra ô!!! Tena mpampianatra biby mihitsy ity ao amin'ny anjerimanontolon'i Pékin ity!!!

Avy any Shenzhen nosoratana ny 3 aprily notohanana 1131:

孙东东医治精神病多了,他自已也是精神病了。现在社会贫富不均而且差距大,加上个别政府机构为所欲为。社会不公现象严重存在,特别是基层老百姓。不经家属同意将上访人员强制送医院是违法行为。

Nikarakara marary saina marobe ny Sun Dongdong ary ankehitriny dia izy koa no lasa anankiray amin'ireny marary ireny. Lasa lavitra ny olana mikasika ny tsy fitoviana. Fanampin'izany dia mpanao kolikoly tsisy farany ny governemanta. Mahazo faka lalina ny tsy rariny ara-tsosialy indrindra eny amin'ny fototra. Tsy rariny ny fanerena ny olona mpanao fitakiana hiditra eny amin'ny hopitaly raha tsy nahazoana alalana avy amin'ny fianakaviany.

Avy any Jiansu nosoratana ny 3 aprily notohanana 994:

中国有如此教授,真让人莫名惊诧。
“公安部信访办:绝大多数上访者诉求是有道理的”(2009年03月12日 14:16中国青年报)

Mampatahotra raha i Chine no manana profesora tahaka izany. araka ny voalazan'ny China Youth ny 12 martsa dia nanambara ny birao mpikarakara ny mpanao fitakiana ao amin'ny polisy fa mitombina ny ankamaroan'ny fitakiana ataon'izy ireo.

Avy any Liaoling nosoratana ny 3 aprily notohanana 948:

我看应该首先将这个狗庇孙东东送入精神病院吊打三天!!!

Tokony ho ity alika Sun Dongdong ity no hampidirina any amin'ny hopitaly voalohany ary kapohina mandritra ny 3 andro.


Sun ambonin'ny melanine: aza manakorontana

Ankehitriny dia tsy vao sambany ny Sun no mitsangana miaro ny politikan'ny governemanta. Nandritra ny fanapoizinana tamin'ny melanine dia nilaza izy fa tsy misy tsinin'ny governemanta ireny ary nomeny tsiny ny fampahalalam-baovao izay sahy nanakiana ny governamanta tamin'ireny.(via Tianya Sept 2008):

我想大家关注很正常,我们社会需要有责任感的人,但是有时候媒体、网友关注的偏,偏在也走得极端,上来先想怎么索赔。我觉得首先应该先找原因。另外一个没有必要去给有关部门找麻烦,你现在麻烦找得越多,越去质疑什么的,可能不利于事情的解决。

Tsy mahagaga raha voakasik'ity olana ity ny olona. Na izany aza, mila olona mandray andraikitra ny fiarah-monina misy antsika, indraindray dia diso tafahoatra loatra ny ataon'ny fampahalalam-baovao. Ny tena eritreretiny mantsy dia ny valisoany. Heveriko fa tokony hamantatra tsara ny antony aloha isika. Ambonin'izany dia tsy ilaina ny miady amin'ny governemanta. Arakaraky ny halehiben'ny fanakorontanana no mazava ho azy fa mahasarotra ny famahana ny olana.

Nahitana fanamarihana 8255 ity lahatsoratra ity ary ny ankamaroany dia nanakiana ny Sun daholo.

Oiwan Lam

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.