I Rosia, i Iokraina, ny helotanin’ny Balkana: Vaovao entin’ny Eurovision

Efa tapitra ny fifandirana nentin’ny fifaninana hira tao anatin’ny sehatra Eurovision ao Georgia (na tonga any amin'ny faratampony araka ny fijerin’ny sasany), satria moa ankehitriny dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ity fotoan-dehibe tontosaina amin'ity taona ity any Moskoa Georgia, noho ny fangatahan’ny vondron'ny fampielezam-peo Eoropeana izay fantatra fa nanova ny tononkira mitondra ny lohateny hoe “We Don’t Wanna Put In” (tsy ilainay Put In) na mety hafa mihitsy ny hira halahatra.

Kanefa dia nampisy fifandirana ihany koa ny hira nampidirin’ny Rosia ankehitriny. Manazava I Andy manoratra ny ny Siberian Light:

Ahitan'ny mpahita petrakevitra momba ny tsikombakomba ambadika sy ny mpamaham-bolongana fanazavana avokoa ny zavatra rehetra, notsongaina hisolo tena an'i Rosia amin'ity taona ity ny  Mam [o] izay nataon’ny Anastasia .

Fifandirana hoe? Izao e, okrainiana i Prikhodko, ary hiraina ampahany amin'ny teny rosiana sy ampahany miroky teny okrainiana ny hira antsoina hoe Mamo. Marina fa lany tamin’ny fifaninana tany Rosia i Prikhodko rehefa hita fa tsy tafiditra handray anjara any Okraina […]

Izao no hevitr'i Andy eo amin’ny sehatra jeopolitika tamin'ny fidiran'i Rosia eo amin'ity sehatra ity:

[…]n’inona n’inona aloha, amiko manokana dia hitako fa misy tsipaka ataon'i Rosia ilay izy e. Tsy vitan’ny hoe efa resiny sy nohitsakitsahiny i Georgia, izay nampiditra hira mahasorena milaza ny tsy itiavan’izy ireo an’I Putin – fa dia lazain’izy ireo fa tsy misy afatsy miresaka fahandriampahalemana sy fifampitsinjonvana eo amin’ny mpiara-monina any Rosia. Ary tena tian’izy ireo ny Okrainiana an.

Raha ny tena marina aloha dia tsara  ilay hira – tsy tena goavana, kanefa azo antoka kosa fa tsy hitsanga-menatra I Rosia amin’ny volana May […]

Nanoratra ny mikasika ity hira nampidirin’ny Rosia ity – sy ilay nampidirin'i Okraina – I Vasyl of uaMuzik:

Andao isika hijery ifotony ato amin’ny sehatry ny WMSC (World Mudslinging Song Contest) mba hihainoana ny kabarim-panokafana. “Eo amin’ny zoro havanana ny mpisolo tena ny firenena Rosia, ilay nandresy tamin'ny herintaona tamin'ny Eurovision, ny antsika avy teto Iokraina Anastasia Prykhodko , hanao ny hira mitondra ny lohanteny hoe Mamo. Ny mpifaninana aminy eo amin'ny zoro havia, mpihira taloha tao amin'ny Via Gra, tao amin’ny tetik’asa T&A an’I Rosia ho an’ny taonjato faha 21, dia I Svitlana Loboda!”

Raha jerena amin'ny fo tsy miangatra dia izay no mahatonga  izao toe-javatra izao. Ny marina dia misy ny Rosiana tezitra fa Okrainiana no hisolotena azy ireo ao amin'ny ESC amin’ity taona ity ary tsy hatao amin’ny teny Rosiana madiorano na teny anglisy ilay hira, fa misy voarara, miteny amin'ny teny Okrainiana tsy manana dikany amin'ny teny rosiana ireo mpiara-mihira aminy[…]

Raha misy moa ny resaka vato mihodikodina alatsaka ho an’I Anastasia Prykhodko, dia tsy ho olan’ny Rosianina irery izany. Manoratra izany I Belgraded – teo amin’ny fanitsiana ny “ireo Degany tamin’ny HiraEropa Balkana 2009” (Balkan Eurosong Losers of 2009) mahakasika ireo hira nandresy:

[…]fifandraisan’ny olon-tsotra amin’ny fanisana ny latsa-bato dia zava-dehibe foana eo amin’ny fiadina ny famaranana Balkaniana, ary ny fifaninana ao an-toerana amin’ity taona ity dia tsy hisy fanavahana. Ho hita eo hoe iza no manana ny fifandraisana tsara sy/na mahay mandrindra ny fanakaramana ny mpitsara, jereo ny antonta Balkana[..]

Tokony ho marihana tsara fa tsy dia manana zotom-po ny antonta Balkana (Balkan file) mahakasika ny “fanantenana ananan’ny Eurovision”, avy amin’ny “Yogoslavia teo aloha, sy Albaina”

Hiverina eny amin’ny taniny ve ny Eurovision amin’ny herintaona tao aorian’ny fotoana fohy nisian’izany tao Rosia? Angamba tsia [..]

Andao hiverina ato amin’ireo “Degany” (olon-dresy) ankehitriny isika, ity no voasoratry Belgraded mahakasika Serbiana iray:

Ny Serbiana degany (olo-dresy) indrindra nananantsika nandritra taona maro – ananan’izy ireo daholo ny karazany maro: ireo kidaladala mpanao hatsikana, ireo pelaka tia fiarahana amina mpisorona na miaramila ambony grady, ireo vehivavy jila komonista, ary ireo mozika marisidrisika sy milanto. Eny, fantatro fa efa noteneninko ny mozika marisidrisika sy milanto. Ny olona sasany milaza fa naheno ny feon-kira an’I “Bohemian Rhapsody” sy ny hoe “ You’ll never walk alone” (tsy andeha irery intsony ianao) teny ho eny kanefa tsy ho vitako kosa aloha ny manara-maso ny misy azy ireny e. [….]

Ity ny horonantsarin’ireo mpandray anjary voalaza etsy ambony:

Nanoratra I Sajkaca ao amin’ny tsikera ho an’ity lahatsoratra ity:

Aleo isika ho mari-toetra, raha toa ka hoe hira kanto manaraka ny fomba efa mahazatra no hita ao dia tsy hisy olona hanatrika ny fifaninana Eurovision akory eo. Misy ny hery misarika satria fantatrao fa mety ahamenatra ilay izy! [….]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.