- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cambodia: Mitohy ny fanampiana avy any ivelany mandritra ny Krizy ara-teo-karena

Sokajy: Kambodza, Fifandraisana iraisam-pirenena, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
Mitohy hatrany ny tatitra eo amin’ny fanampiana any ivelany ho an’I Cambodia na eo aza ny krizy fahobe ara-toe-karena. Mizara vaovao I CAAI News Media [1] fa hanome vola mitentina 21 tapitrisa dollar ho an’I Cambodia i Etazonia [2]mba analefahana ny fahantrana eny ambanivohitry ny firenena mandritra ny 4 taona.
Araka ny tantara izay nalefan’ny Vaovaon’I Cambodia [3], dia nanome vola mitentina 5,6 tapitrisa dollar I Etazonia ho fanampiana tamin’ny taona 2008.

Mahakasika ny fanampiana avy any ivelany dia nampiditra latsoratra aterineto ny dinidinika avy tamin’nybolongan’I Phonom Penh [4] i Socheata Vong [5] miaraka amin’ny mpanao fitsikerana politika antsoina hoe Lao Mong Hay izay nilaza izao manaraka izao:

“… Raha jerena ifotony ny fanampiana avy any ivelany dia fitsipi-draharaha entin’ny vahiny izany. Jereo fotsiny anie ny governemanta Amerikana. Raha toa ka ny firenena mila fanampiana no mandala ny foto-dalana mifanaraka amin’ny fitsipi-draharam-bahiny Amerikana, dia omeny azy ny fanampiana .

Nampidirin’i Mr. Semoun [6] sy Hort Sroeu [7] ny lahatsoratra momba ny famatsiam-bola Koreana Atsimo mankany Kambodia. Milaza ny blaogin’I Sroeu:

Tamin’ny taona 2007, dia lasa firenena faha-6 mpandray ny famatsiam-bola avy amin’ny Korea Atsimo ao aorian’ny Shina sy Etazonia I Kambodia, ny faritry Hong Kong ao Shina no mamatsy an’I Vietnam sy Malaysia, [ny masoivoho Korea Atsimo ao Kambodia antsoina hoe Shin Hyun-suk] no milaza hoe… tamin’ny voalohany, ny famatsiam-bola avy any Korea Atsimo dia nibahan-toerana tamin’ny sehatra famokarana ara-indostrialy, nanampy ny teniny ihany koa izy fa ny fandraharahana banky, ny orinasa famokara-tsakafo, ny orinasa indostrialy, ny fanatsarana ny fananan-tany sy ny sehatra serasera teknolojia dia ny sehatra itobian’ny famatsiam-bolan’ny Koreana Atsimo ao Kambodia ankehitriny.

Na dia izany aza, dia tokony mitady ny hevitra hisedrana ny fitsitotongananan’ny fanondranana sy ny fanafarana ny firenena. Araka ny tatitra nentin’ny Khmer Young [8],

Voavinavina fa mifintina ho 0,5 isan-jato ny toe-karenan’I Kambodia amin’ity taona ity, ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena no niteny izany tamin’ny Zoma. Ezaka goavana tokoa ny hari-karena 4,8 isan-jato izay nolazainy IMF mialoha tamin’ny volana Novambra.

Ny filazana entin’ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena dia afaka jerena eto [9].