Ejipsiana manohitra rikoriko: fampielezan-kevitra anterineto anoherana ny tabilaoben’ny Maadi

maadi-campaign-poster1

Miala any ny fampielezan-kevitra aterineto vaovao .

Iray amin’ny faritra misongadiana indrindra ao Ejipta I Maadi, fantatra tsara izy amin’ireo toerana maitso mavana sy ny fahanginana kanto dia kanto aoka izany – raha tsy ho lazaina fotsiny ny mampiavaka an’ireo arabe manamorona an’ny renirano Neily, izay misintona mpankafy natiora maro dia maro sy mpitaingina/mpandeha botry (sambo).Tamin’ny herintaona lasa teo no nifindra tany Helwan governorate ny fitondrana nentin’I Maadi raha hoe tokony ho natao tao Cairo izany – izany fanapahan-kevitra izany dia nahatezitra mponina maro tao amin’ny faritra. Eny fa na dia tsy ho fantatr’izy ireo intsony aza izay tokony ho ataony mahakasika ity toe-javatra ity atsy aoriana kely atsy.

Andro vitsivitsy lasa izay, dia nifoha samy nanokatra ny masony manoloana ny toe-javatra mampijaly izay efa nisovoka tsimoramora tao amin’ny manodidiana azy ireo ny mponina tao Maadi

Ao amin’ny bolongany antsoina hoe Soberhigh dia miteny ny tantara I Mohamed M:

Nandritra ny alina, raha mbola tao anatin’ny torimasony ny mponin’I Maadi, dia niseho fahoany fahoany teny amin’ny tontolon’I Maadi ny famantarana voalohany nentin’ny Helwan. Teny amin’ireo vavahady fidirana ao amin’ny faritra izay heverina ho toy ny vavahadin’ny tanana Maadi; no indro fa tampoka teo ary ts’inon ts’inona fotsiny teo, dia nirangaranga ireo tabilaobe electronika, toa ohatry ny hoe nisy mihitsy ny fitsidihana nataon’ny devoly nandritra iny alina iny.

Nanapa-kevitra ary I Mohamed rehefa avy eo fa hametraka ny hatezerany manohitra ilay haratsiana izay ataony ao anatin’ilay fantsona tena izy ka hanamboatra izany ao anatin’ny facebook group antsoina hoe: Maadi: O ry Governoran’I Helwan, miangavy anao mba arodany ireo tabilao elektronika ireoAraky ny tenin’I Mohamed, ny vondrona dia:

Misolo vava ny hery enti-mandrodana ireo habibiana mahatsiravina sy ny famoronana ny lalana mandrara ny fanaovan-dokam-barotra any ivelany trano. Ary manohy hatrany ho amin’ny fanakanana ny fananganana tabilaoben-dokambarotra vaovao manerana an’I tananan’I Cairo sy ny fametrahan-dalana ho amin’ny fampiasana ireo tabilao izay efa nisy teo aloha mba hiarovana ny endriky ny manodidina ananan’I Cairo

Mitaky izahay fa ny governemanta dia hametraka lalana mafimafy kokoa mahakasika ny tabilaon-dokambarotra manerana ny renivohitra ary hanamboatra ivo-toerana fanatanterahana sy fanaovan-dalana entina manaramaso ny fanaovan-dokambarotra ivelan’ny trano.

Mahery setra tokoa ny fomba filazan’ny Mohamed sy ny mponina maro ao Maadi ary ny mpifankatia sy ny mafana fo ao anatin'ny Facebook group ireo fampielezan-kevitra mba hitakiana amin’ny filohan’ny faritry Maadi sy ny governoran’ny Helwan ny fanesorana ireo tabilaon-dokambarotra ireo.

Mitodika amin’ireo olona mpihetiketsika I Mohamed ary miteny hoe:

Raha mieritreritra ny momba an’I Maadi sy I Cairo ianareo dia ataovy avo ny fampitandremana sy ny feo entinareo. Efa mikarakara mailaka isika izao, izay ho alefa eny amin’ny birao ny governemanta izay heverina fa ambony sy ireo fikambanana ary ny fivarotan-gazety . Alefantsika mailaka ny vaovao, ho resehantsika ao amin’ny fandaharana resandresaka (amin’ny Radio sy ny Televiziona) ary hampaka-peo ny fanoherantsika isika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.