Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

11 Marsa 2009

Tantara tamin'ny 11 Marsa 2009

Cambodia: Mitohy ny fanampiana avy any ivelany mandritra ny Krizy ara-teo-karena

Mitohy hatrany ny tatitra eo amin’ny fanampiana any ivelany ho an’I Cambodia na eo aza ny krizy fahobe ara-toe-karena. Mizara vaovao I CAAI News Media fa hanome vola mitentina 21 tapitrisa dollar ho an’I Cambodia mba analefahana ny fahantrana eny ambanivohitry ny firenena

Ejipsiana manohitra rikoriko: fampielezan-kevitra anterineto anoherana ny tabilaoben’ny Maadi

Nifoha tamin'ny torimasony ny mponina Maadi teo anatrehan'ireo tabilaobe elekronika izay napetraka teo amin'ny fidirana mankao amin'ny faritra misy azy ireo. nandray ny fanapahan-kevitra ny mpamaham-bolongana iray manohatra ny kirakira vaovao anterineto, ary mitarika ny mpanohana rehetra hametraka ny lalana vaovao entina hamehezana ny fampiasana ny tabilaoben-dokambarotra sy hiarovana ny...

Ejipta: Navoaka ny fonja ny mpamaham-bolongana Mohamed Adel

Novotsorana ny mpitoraka bolongana Ejipsiana antsoina hoe Mohammad Adel izay namahana ny blaogy antsoina hoe Maeit ary efa voafonja nanomboka tamin’ny 22 Novambra 2008. Mamehy izany rehetra izany ao anatin'ity lahatsoratra ity i Marwa Rahka.

Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”

Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy. Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana...