Tantara tamin'ny Febroary, 2009
Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”
Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:
Ezypta: Nanohina ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ny fakantahaka
Misy ve ny tranga-javatra tahaka ny maka tahaka bolongana? samy manana ny heviny ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ao amin'ny fefin'ny Facebook sy any amin'ny bolongany rehefa hitany fa maka ampahan-dahatsoratra tsy...
Hong Kong: Miaro ny fahalalaham-pitenenana
Mihoatra ny zato ny mpoina ao Hong Kong no nidina an-dalambe hanambara amin'ny hafa fa mihemotra ny fahalalaham-pitenenana any aminy tamin'ny 22 Febroary 09 lasa teo. Ny Citizens’ Radio no...
Mitsidika any Indonezia i Clinton
Tonga tany Indonezia ny sekreteram-panjakana Amerikana Hillary Clinton ny Alarobia lasa teo. Nanamafy ny “andraikitr'i Indonezia izy amin'ny fandraisana an-tànana ny olana amin'ny ankapobeny, ao anatin'izany ny fampihorohoroana, ny proteksionisma,...
Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra
Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy...
RD Kongo: Tsy biby fiompy ny rajako
Henika ny filazana amboletra nataona rajakobe 15 taona milanja 200 pound (90kg) tamina vehivavy mipetraka any Stamford, Connecticut, Etazonia ny haino aman-jery fantatry ny maro. Nidarodaroka ny vehivavy naman'ny tompony...
Maghreb: Nifampiresaka tamin’I Polisario ny solotenan’ny firenena mikambana mpiandraikitra an’i Sahara andrefana.
Tonga tao Alzeria I Christopher Ross omaly, solotena manokana avy amin’ny firenena mikambana misahana ny raharaha Sahara andrefana, mba hifampireska amin’ny fiadidian’ny Polisario, araky AFP. Mamehy ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy manoloana ny faritry Maghreb momba ny fandrosoana faranay i Jillliana York.
Chili: namoaka fantsom-baovao ho an'olo-tsotra ny ONG ho an'ireo iharan'ny herisetra
Niorina ny NGO Víctimas de la Delincuencia [es] (ireo iharan’ny herisetran-jatovo)tao amin’ny renivohitry Chile ao Santiago ny 2006 mba hiarovana, hitarihana sy hanomezana toromarika ireo izay iharan’ny herisetran-jatovo ao an-drenivohitra. Ao anatin’ny tranok’alan’izy ireo, dia milaza fa nisedra ny fotoanan’ny herisetra ny olom-pirenenana (fisotrosotroana, fampitahorana, halatra, fanolanana sy fanararaotana), misy ny horonantsary nampidirina sy mijoro vavolombelona milaza hoe oviana sy tamin’ny fomba ahoana no niharan’izany tamin’izy ireo. Mampihatra ny fiovan’ny lalana ao Chile ny tanjon’ny vaomiera, izay hatrami’izao aloha, araka ny feon’ny victimas de la Delincuencia, dia ohatrin’ny manome tombony/rariny ny mpiherisetra fa tsy ny iharan’ny herisetra.
Kazakhstan: Politika sy fiaraha-monina ao anatin’ny fotoanan’ny Krizy
Mijanona ho lohahevitra lehibe ao amin’ny ady hevitra an-terineto ao Kazakhstana ny Politika – matetika loatra izany sady mafy kokoa nohon’ireo hita mivantana eny amin’ny fiananam-bahoaka. Ny iray amin’ny trangan-javatra...
Trano-kala Iranianina“Balatarin” dia Niverina indray eo amin'”ny seraseram-pifandraisana taorian'ny fangalaran'ny mpiraty azy
Niverina indray eo amin’ny seraseram-pifandraisana ny trano-kala Iranianina “Balatarin” taorian’ny nanaovana hosoka azy ity. Balatarin, izay midika hoe “Ny avo indrindra” amin’ny teny Persiana, dia vondrin-tserasera an-trano-kala iranianina malaza indrindra izay nisy nanao hosoka [en] tamin’ny 3 frebroary 2009. Nanao ny fanambarana ny mpampiasa ny filazam-baovao sy ny fifandraisana ao amin’ny ity trano-kala ity ary ny vondrona mpifidy mba hampisy vokatra avo indrindra ao anaty listra. Ity trano-kala ity dia efa notarafina (nofilitrena) tao amin’ny aterineto tany Iran nanomboka tamin’ny taona 2007.