Jerosalema, AlQuds amin'ny teny Arabo no fototry ny ady Isiraeliana – Palestiniana. Tsy ankatoavin’ny firenena mikambana sy ny olona voakasik’izany ny fakan'ny Isiraelina ao Jerosalema atsinanana ho eo ambanin’ny “lalan’ny Jerosalema”. Notapahan’ny vahaolan'ny filankevitry ny filaminana avy amin’ny firenena mikambana 478 ( lany tamin’ny taona 1980) ny fanesorana ny ankamaroaman’ny masoivoho vahiny tao Jerosalema.
Voatsikera ireo mpitondra fanjakana isiraeliana amin'ny fitadiaana hanamaroana Jiosy sy ny fametrahana an’I Jerosalema ho Jiosy amin’ny alalan’ny fanesorana sy famotehana ireo trano fonenan’ny arabo ao Jerosalema atsinanana, ary lazaina fa tsy ananan’izy ireo ny taratasy fanomezan-dalana hanorina izany trano izany, ho sarotra araka izany ny fahazoan-dalana ho an’ny mponina Arabo. Araka ny tatitry ny World Bank (banky iraisam-pirenena), mihoatra ny avo efatra heny sy sasany (4,5 fois) ny isan’ny trano tsy ara-dalana voaray tao anelanelan’ny taona 1996 sy ny taona 2000 tao amin’ny fiaraha-monina misy ny Jiosy kanefa mijotso/midina efatra heny kosa ny baiko famotehana trano nalefa ho an’I Jerosalema andrefana raha atao ny fampitahana ao Jerosalema atsinanana.
Tamin’ny alalan’ny setrasetran’ny mpitoraka bolongana arabo no nitranga ny fanesorana farany. Miresaka mikasika ny toe-draharahan’ny renivohitry Arabo I Kahaled Alsoud avy any Jordan [ar]:
Manome ny fanadihadiana ny toe-draharaha i Syriangavrohe [ar]:
Notsiahivin’I Jafra ny olona voasoratra ara-tantara Arabo izay novonoin’ny Mossad toy Ghassan Kanafani, Wael Zuaiter sy Naji Al Ali, izay mampisongadina ny mahazava-dehibe ny fahalalana sy ny kolotsaina ao anatin’ny fibodoan-toerana;
Manohy ny fangatahana hanaovana an'i Al Quds ho renivohitra arakolotsaina arabo 2009:
Manontany an’ireo mpitoraka bolongana Siriana mba hamorona ny “blog for AlQuds Week” I Alghait:
Iangaviana ny rehetra hiasa ho an’ny rahalahantsika tahaka ny vitantsika amin’ny tenantsika.
Aleo ny bolongana Siriana hitarika ny lalana.