- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta : ny efatra andro nanagadrana an'i Philip Rizk

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Tanora, Zon'olombelona

Andro iray taorian'ny nivoahan'ny lahatsoratra hoe “Ejipta : mitohy ny fisamborana ireo mpanao pôlitika mahery fihetsika sy ny mpitoraka bilaogy” tao amin'ny Global Voices Online, dia nahoraka eran'izao tontolo izao ny vaovao mikasika ny nisamborana an'i Philip Rizk – ka niafara tamin'ny famotsorana azy izany rehetra izany.

Mitantara ny nanafahana azy i Arabawy [1]  ao amin'ny Jaiku :

arabawy1

Tato aoriana dia nilaza ny heviny mikasika nitazonana azy nandritra ny efatra andro tany am-ponja izy ao amin'ny bilaoginy vaovao, satria efa nakaton'ny fanjakana ny bilaogy taloha :

Androany no andro fahefatra nahafahako avy any am-ponja taorian'ny efatra andro nitazonana ahy. Tsy azoko ny dikan'ny hoe fahafahana tanteraka sy ny fangejana tanteraka. Ny hany zavatra natao ahy nandritra izay efatra andro nitazonana ahy izay dia nohadihadiana, natory na niezaka ny hatory.
Alohan'ny hidirako amin'ny pitsopitsony hafa dia te hiteny aho hoe “shukran”, tena misaotra anareo. Tena nampahery ahy ny valintenin'ny fianakaviako, ny namako sy ireo rehetra manerana ny tany nandritra ny fotoana nigadrako. Rehefa nanomboka nalaza aho taorian'ny fahafahako dia sarotra tamiko ny niaina ilay izy. Tsy hitako izay teny hilazako ny fisaorako betsaka anareo rehetra.  Anankiray tamin'ireo nanadihady ahy – antsoind-ry zareo hoe “Malek” – no namarana ny fanadihadiany tamin'ny hoe, “rehefa milaza amiko ny momba ireo fifandraisanao sy ny momba anao amin'ny any ivelany ianao amin'ny manaraka”, dia tsy azoko ny tiany hambara. Tena heveriko fa ny fanerena avy amin'ny toerana maro nataon'ny olona maro no nanafaingana ny fanafahana ahy.

Tsy adinony koa i  Diaa [2], mpitoraka bilaogy hafa nosamborina ary tsy mbola afaka:

Diaa Gad dia terantany Ejiptiana izay nosamborina andro iray niaraka tamiko. Niresaka taminy voalohany aho andro vitsivitsy talohan'ny nisamboran'ny fanjakana ny maro taminay tany amin'ny toerana samihafa. Niantso ahy i Diaa nanontany ny andinindininy mikasika ny “fihaonam-be ho an'i Gaza”. Ary satria efa fantatray fa henoina ny antso an-tariby ataonay dia nilaza taminy aho fa tsy afaka manome izany andinindininy izany ary nanasa azy hihaona tamiko mivantana ny andro manaraka. Tsy niantso ahy intsony izy ary niverina ny anarany nandritra ny fanadihadiana natao ahy – mbola i “Melek” ihany – no nanontany ahy raha mahafantatra an'i Diaa aho ary nagataka ahy hilaza izay rehetra teny nolazaiko tamin'i Diaa tamin'ny antso an-tariby nifanaovanay.Tsy manana zavatra sarobidy tahaka ny ananako i Diaa, izany hoe manana zom-pirenena 2 ary afaka mipetraka any ivelany. Tamin'io dia efa nambenana izy ary na ny mpisolo vava azy na ny fianakaviany dia tsy naheno vaovao mikasika azy intsony. Ny hetsika rehetra natao tamiko dia ilaina hatao aminy sy ireo hafa koa. Tsy ara-dalàna ny zavatra nataonay ary tsy fahota aty Ejipta. Amin'izao fotoana izao dia maro ireo Ejiptiana migadra mbola tsy voatsara. Mila mijoro isika ary hanohitra izany.

Nilaza ny heviny mikasika ny fanagadrana an'i Diaa koa i Zeinobia:

Mpitoraka bilaogy avy any Gharbia any Delta i Diaa Eddin Gad. Ny bilaoginy “Sawt Ghadib” { feo tezitra} no nilaza ny heviny rehetra mikasika an'i Gaza, nanohitra ny fanafihana an'i Gaza izy ary nanohana ny mpanohitra, inono koa!!?? Tsy hitako izay antony tokony hitazonana azy. Nahoana izy no nosamborina ??
Ankehitriny efa afaka i Philip fa izy kosa mbola migadra.
100% Ejiptiana i Diaa ary tsy manana taratasy fahazoan-dàlana mivoaka ka noho izany dia tsy misy afaka manampy azy afa-tsy isika sy Andriamanitra. Manantena aho fa hijoro hiaraka amin'i Diaa isika mpitoraka bilaogy tahaka ny efa nataontsika tamin'i Philip, tsy maintsy miverina any an-tranony i Diaa, Insh Allah.

Amin'izao fotoana izao dia afaka manaraka ny bilaogy “Mpifatotra noho i Gaza” isika. Natokana hijerena ny vaovao mahakasika an'ireo Ejiptiana nosamborina sy nogadraina vokatry ny firaisam-pony tamin'i Gaza ity bilaogy ity.

Lasto Adri [3]