- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra

Sokajy: Armenia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Tanora, Teknolojia, Tontolo_iainana

Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy io.

Tamin'ny 6 Febroary 2009 ny mpampiasa YouTube iray antsoina hoe TugUrartu no namoaka lahatsary iray [1] miaraka amin'izao fanazavana manaraka izao:

On January 20, we went to Khosrov's preserve on a trip. On our way back we saw how a forest guard is killing animals, saying ‘it's a stupid animal, it destroys forests’ oaks.’ He ignored our pleas …

Nitsangatsangana tany amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov izahay. Tamin'ny fiverenanay dia nahita mpiandry ny ala iray namono biby izahay, sady niteny fa (nanao h) adala(na) ilay biby nandrava ny ala-na ôka. Tsy niraharaha ny fitarainanay izy.

Asehon'ity lahatsary ity ny tifitra in-14 nataony tamin'ilay lambo nihazakazaka. Efa nanome la azy mihitsy moa ilay mpaka sary vehivavy saingy herim-po very maina izany. Navoaka amin'izay ny lahatsary ny andro nanaraka io, mpandrindra ao amin'ny vondrona Armeniana mpiaro ny tontolo iainana ao amin'ny Facebook iray [2] no namoaka izao hafatra izao tamin'ny mpikambana:

The head of foresters KILLS WILD ANIMALS
… to protect the Khosrov reserved forest

“it's a stupid animal damaging the trees” says the head of foresters

Reserved Forest? Sl[a]ughter house? Place for having Fun?….

What is KHOSROV RESERVED FOREST NOW?

Who are the real protectors of it? In whose hands is it? How many animals still exist in the place called RESERVED FOREST”?

[…]
Lets protect our rights to live in HARMONY with NATURE~~”

Namono biby dia ny lehiben'ny mpiandry ny alan'i Khosrov. “biby adala mamotika hazo” hoy ny nambaran'ilay lehiben'ny ala. Ala arovana? Trano famonoana? sa toerana hanalana hamohamo izy ity?…Dia inona izany ny ala arovan'i Khosrov amni'izao fotoana izao? Iza no tenampiaro azy ity? Eo ampela-tanan'iza izy izao? Mbola misy biby firy izany izao ao amin'ity ala arovana ity? […] aleo arovantsika amin'ny fahaiza-miaraka amin'ny natiora ny zontsika.

Niangavy ny mpanohana azy ny hafatra niseho tamin'ny bolongana vitsivitsy hifandray amin'ny minisiteran'ny fiaraovana ny natiora sady nanome ny adiresy mailaka sy laharan'ny sofindavitra vitsivitsy.

Ny andro nanaraka izay indray dia nanontany ny bolongana mpiaro ny tontolo iainana iray Bnamard [AM] sao dia misy ifandraisany amin’ ny tetikasam-pampandrosoana an’ [3] ilay mpanao politika fanta-daza iray izy ity araka ny efa voambara antsipiriany tamin'ny lahatsoratra hafa [4].

Հայկական մամուլը ժամանակին գրեց, որ Հայաստանի մի բարձրաստիճան պաշտոնյա Խոսրովի անտառում ռեստորանա-հյուրանոցային համալիր է կառուցում, ոչնչացնելով անտառի մի մասը: Թերեւս, անտառապետը հրահանգ է ստացել անտառին զուգահեռ ոչնչացնել նաեւ այնտեղ բնակվող հատուկենտ “ախմախ կենդանիներին”:

Efa nambaran'ny fampahalalam-baovao fotoana vitsivitsy lasa izay fa mikasa hanorina trano lehibe fandraisam-bahiny ao amin'ny valan-javaboary ny mpitondra fanjakana lehibe iray ao Armenia ka noravany ny ampahany sasany amin'ny ala. Angamba efa nahazo baiko baiko manokana hamono “biby adala” manakaiky ny ala ilay lehiben'ny mpiaro ny ala.[…]

Notaterin'i Bnamard taty aoriana fa nosaziana ilay mpiandry ala [5].

Տուգանք մեկ միլիոն դրամ, աշխատանքից հեռացում..

[…]

Արգելոցի գլխավոր պետին և տեղակալին խիստ նախազգուշացում
[…]

ի դեպ սա բնապահպանության նախարարության թեժ գիծն է…51 91 82…, բայց չմոռանաք հայտնել ևս մի քանի լրատվամիջոցների[….]

Voasazy handoa 1 000 000 dram Armeniana [USD 3,300]; voaroaka […] Fampitandremana manokana ho an'ny lehiben'ilay voaroaka fa nihaza sy ny lefiny.[…]

Izany eo ihany fa ny laharana iantsoana ny mpiaro ny natiora dia 51-91-82, ary aza adinoina ihany koa ny milaza amin'ny fampahalalam-baovao vitsivitsy…

Fa raha tsy nisy aloha ny porofon'ilay lahatsary dia sarotra ny hieritreritra fa ho azo ny rariny.

Simon Maghakyan [6]