RD Kongo: Tsy biby fiompy ny rajako

Henika ny filazana amboletra nataona rajakobe 15 taona milanja 200 pound (90kg) tamina vehivavy mipetraka any Stamford, Connecticut, Etazonia ny haino aman-jery fantatry ny maro. Nidarodaroka ny vehivavy naman'ny tompony ihany, ka nandratra azy mafy dia mafy tokoa ilay rajakobe mpilalao sarimihetsika na dokambarotra fanao amin'ny fahitalavitra.

An adult chimp

Rajako efa lehibe iray

Nanararaotra ity tranga ity ny mpandalina ny zavamiaina (Biolozista) sy ny mpandalina ny karazan-gidro sy rajako ilazana fa tsy azo karakaraina mitovy amin'ny biby fiompy an-trano mihitsy itony karazam-biby itony sy ny biby dia (tsy fiompy na fametraka an-trano) rehetra. Ny Lola ya Bonobo blog ao amin'ny WildlifeDirect moa dia namoaka fanazavana ny anton'izany tsy tokony hiompiana ny rajakobe tahaka ny biby fiompy an-trano. Notanisainy amin'izay ny antony maro tsy nametrahana ireny rajakobe ireny tsy fametraka an-trano toy ny alika sy ny saka efa anarivony taona maro izay satria tsy efan'ny olombelona ny nanaisotra (na nifehy) ny setrasetran'ny gidro.

Arak any nolazain'i Lola ya Bonobo, dia tsy hita loatra amin'ny gidro io fitiavan-kisetrasetran'ny rajako io raha mbola tanora izy. Izany no antony hivarotan'ireo mpangalatra rajako an-tsokosoko ireo ny gidro mbola tanora fa rehefa mitombo itony biby itony – ka mahatratra ny haben'ny lehilahy lehibe nefa matanjaka impolo mihoatra ny mpanao ady totohondry amin'ny sokajy mavesatra – ary izay no antony tsy ahafahan'ny tompony mifehy intsony azy ireny intsony.

Ady sy tolona mihitsy ny fomba ikarakarana ny rajako sahala amin'ny olombelona sy voaantoka eny fa na dia any amin'ny toerana fampirantiam-biby (zoo) sy toerana hafa natokana ho azy ireny aza. Mazava loatra fa tsy mahavita izay fomba fanao any amin'ny fampirantiam-biby velively ny tompom-biby tsotra hafa. Izay no mahatonga ny fitiavan-kisetrasetran'ny biby sy mampitera-doza ny fiainan'olombelona.

Noho ny fitovitovian'ny rafitra zenetika eo amin'ny olombelona sy ny gidro mbamin'ny rajako dia maro koa ny aretina mora mifindra avy amin'ireto biby ireto tahaka ny Herpes B, tazovony, ny nendran-gidro, ny raboka, ny otrikaretin'i Ebola, ny Marburg ary ny aretina hafa ihany koa. Ireo fotsiny dia ampy ho an'ny olombelona tsy tokony hiara-miaina amin'ny gidro sy ny rajako.

Ary misy ny antony farany (sy lehibe) tsy tokony ametrahana an-trano ny biby dia na tsy fiompy: loza mitatao mahalany taranaka ny karazam-biby arovana maro ny varotra biby ompiana an-trano. Miezaka ny mampitsahatra ity varotra biby dia ity any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana ny mpitahiry zavamananaina. Saingy tsy olan'ny tany an-dalam-pandrosoana irery ity na dia izany aza. Hoy Lola ya Bonobo :

…politicians in these countries point to the lack of laws in the United States and ask why is it wrong and illegal for them to have a chimpanzee as a pet, and if chimpanzees are endangered animals that should be conserved and protected, [why should] anyone in the USA [be able] order one over the Internet with a credit card?

Tondroin'ny mpanao politika any amin'ireny firenena ireny ihany koa ny fahabangan'ny lalàna any Etazonia ka mampanontany azy ireo hoe nahoana moa no tsy ara-dalàna ho azy ireo ny manana rajakona gidro ao an-trano, ary raha tokony ho tsinjovina sy arovana nefa mampidi-doza ihany koa ny rajako, nahoana moa izay rehetra te-hanana azy any Etazonia no afaka manafatra sy mividy azy ireny any amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny carte de credit (karatry ny fahana)

Ary dia toy izao no namehezan'i Lola ya Bonobo azy:

We don’t buy and sell people any more. Since chimps and bonobos share 98.7% of our DNA, don’t they deserve the same respect?

Tsy mividy na mivarotra olona intsony isika. koa rehefa mifampizara (na mitovy eo ho eo amin'ny 98.7% eo ho eo ny ADNntsika sy ny rajako mbamin'ny gidro, moa ve tsy mendrika ny haja tahaka izany koa ry zareo?

Samuel Maina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.