- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trano-kala Iranianina“Balatarin” dia Niverina indray eo amin'”ny seraseram-pifandraisana taorian'ny fangalaran'ny mpiraty azy

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Balatarin [1], izay midika hoe “Ny avo indrindra” amin’ny teny Persiana, dia vondrin-tserasera an-trano-kala iranianina malaza indrindra izay nisy nanao hosoka nanao piraty [2] [en] tamin’ny 3 frebroary 2009. Nanao ny fanambarana ny mpampiasa ny filazam-baovao sy ny fifandraisana ao amin’ny ity trano-kala ity ary ny vondrona mpifidy mba hampisy vokatra avo indrindra ao anaty listra. Ity trano-kala ity dia efa notarafina (nofilitrena) tao amin’ny aterineto tany Iran nanomboka tamin’ny taona 2007

Nisy fihetsiketsehana izay nataon’ireo mpitoraka bilaogy amin’ny teny Persianina mba hanoanana ny feverenan’ity trano-kala ity indray.Teraka indray [1]tamin’ny faran’ny herinandro iny ny Balatarin niaraka amin’ny trano-kala iray mandritra ny fempotoana voafetra ary misy ny hafara hoe ny mpanao hosoka (piraty) dia efa nifindra toerana ary nanome azy ireo ny DNS vaovao, sehatra iray niandraikitra ny tsy fahafahana miditra ao amin’ny trano-kala.

Ho an’ny fanazavana fanampiny momba ny Balatarin dia afaka mamaky [3] ny valandresaka voalohany ao amin’ny Global Voices miaraka amin’ny mpamorona azy ity, Mehdi Yahyanejad.

Legofish, izay mpitoraka bilaogy Iranianina sy mpanaingo ireny trano-kala ihany koa izay niteny [4] [fa]:

Balatarin dia efa lasa anisan’iray amin’ireo trano-kala iranianina tsara indrindra sy be mpampiasa indrindra. Manantena aho fa ireo andraikitra rehetra ao amin’ny Balatarin dia tsy tonga tamn’ny fahadisom-panatenanaNy mpampiasa ny Balatarin rehetra dia efa manohana azy ireo.

Z8umark dia nanoratra [5] [fa]:

Ny vaovao avy any Iran na avy amin’izao tontolo izao dia hita isanandro sy misongadina tsara eo amin’ny seraseram-pifandraisana ao amin’ny Balatarin. Miditra sy manopy maso ao amin’ny pejy voalohany fotsiny ianao dia efa mahita hoe inona ny vaovao mitranga.Mbola tsy nahita trano-kala afaka izay nampientana ny afanam-po ny mpamaky tahaka ny nataon’ny Balatarin aho.

1pezechk, ny tena malaza indrindra amin’ireo fototrin’ny mpitoraka bilaogy iranianina , izay antsoina [6] hoe [fa] Balatarin dia vondrona ho an’ny fampahalalam-baovao ho an’ny vahoaka ary mpampahery ny mpampiasan’ ny Balatarin mba hanohana ny trano-kala.

Mampiaina ny biloagy isanandro no tenamahatonga [7] ny [fa] Balatarin ho lasa trano-kalan’ny haino aman-jery sosialy iranianina tsara indrindra. Ny mpitoraka bilaogy iranianina dia mino sy manantena fa hiverina amin’ny laoniny farany izay haingan indrindra izao toe-javatra izao.

Behrang dia niteny [8] fa]:

Raha vao nanomboka nisokatra ny Balatarin dia nonoratra aho hoe ity sehara ity dia efa tao anatin’ny eritreritro, tsy ilay izy mampiasa ny web 2.0 fotsiny ihany fa ilay izy lasa endrikin’ny demokirasia iranianina.


Share This