- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Martinika: momba ny fahaleovantena sy ny “fifehezana” frantsay

Sokajy: Karaiba, Frantsa, Goadelopa, Martinika, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Politika

Mpamaham-bolongana Martinique le blog de [moi] [1] [FR], any amin'ny lahatsoratra hafa mikasika ny fihetsiketsehan'ny mpiasa any Martinique sy Guadeloupe [2], no niady hevitra tamin'i Christophe Barbier, mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny gazety boky frantsay , L'Express. Nandritra ny resadresaka tamina radio antsoina hoe C dans l'air [3], no namalian'i Barbier ny fanontaniana tamin'ny alalan'ny SMS nataon'ny mpihaino iray manao hoe, “ Nahoana moa isika no tsy manome fahaleovantena fotsiny izao ireo departemanta ampitandranomasina ireo?” Novalian'i Barbier hoe:

“(…) Ca va devenir soit une usine à touristes pour les Américains soit ça va tomber immédiatement sous la coupe des mafias locales pour servir de blanchiment soit ça va devenir un nouveau Haïti. Il n’y a pas d’indépendance possible dans la prospérité économique ! Immédiatement ça tombera sous une autre dépendance qui sera pire que la dépendance de la République française.”

“(…) Dia na lasa orinasam-pizahatany ho an'ny Amerikana ry zareo na lasa eo ampelatanan'ny mafia ao an-toerana hanadiovan-dry zareo ny lalam-bola tsy ara-dalàna ka dia ho lasa Haiti vaovao. Tsy tontosa ny fahaleovantena raha tsy miroborobo ny toekarena! Fa raha tsy izany dia lasa hisy fiankinandoha ratsy kokoa noho ny fiankinana tamin'ny repoblika frantsay teo.”

rangitra i le blog de [moi]:

Really Christophe Barbier ???? “Ca” ?!!!

Et là je vous dis franchement (ceux qui me lisent depuis quelques temps connaissent ma position sur le sujet): il y a de quoi devenir indépendantiste ! Le propos, le ton utilisé, la condescendance, le mépris… tout y est ! Parce que finalement si nous décidions un jour effectivement de sauter le pas et d’opter pour l’indépendance ce sera le nôtre de choix quelqu’en soit les conséquences, right ! Après nous le chaos ??? Ces grands enfants ne sauront pas se défendre ou éviter les écueils liés au statut d’Etat souverain ? C’est ça l’argumentaire digne de ce nom pour expliquer pourquoi les DOM-TOM doivent rester dans le giron français ? Ciel !

Excusez-moi, mon titre est mensonger. En fait mon billet aurait dû s’intituler “La connerie pour les Nuls”.

Tena izany ve ry Christophe Barbier???? “izany”?!!! Dia tsoriko aminao, efa fantatry ny mpamaky ny lahatsoratro nandritra ny fotoana fohy ny hevitro mikasika ity lohahevitra ity: Betsaka ny hevitra hahatonga ahy hitaky ny fahaleovantena! eo ny teny, ny fomba fiteny, ny tsindry aloka, ny fanivaivana… ao daholo izany! Satria raha hanapan-kevitra ny hahaleo tena izahay indray andro any dia safidinay izany na inona vokany na inona, mazava! Aorianay [Frantsay] ny korontana??? Tsy mahay miaro tena na midify ny takaitra avelan'ny sata mahafirenena manana fiandrianam-pireneny angaha ireo zazabe ireo? Izany no mba fandresen-dahatra hanazavana ny antony tokony hijanonan'ny DOM-TOM ho ao anaty faribolana Frantsay? Ô ry lanitra ô!

Ao amin'ny fanehoan-kevitra dia mihevitra i Elsie fa tsy voatery ho tsindry aloka tsy akory ny fanazavan'i Barbier:

…Il veut peut être simplement dire qu’un pays aussi petit que le serait la Martinique ( ou la Guadeloupe), dans un environnement aussi violent que la Caraïbe, aurait du mal à exister sans s’assurer l’appui d’une grande puissance ( les Etats-Unis plutôt que la France?) et en évitant les requins de la drogue et des gangs qui sévissent dans le secteur. C’est pas une question de savoir si les gens qui dirigeraient le pays seraient compétents ou pas, c’est juste de se dire qu’un petit pays , à cause de son insignifiance militaire, ne peut vivre que dans l’ombre d’un plus grand qui le protège…

…Mba te-hiteny fotsiny angamba izy fa tsy afa-mijoro tsara tsy manana ny fanohanan'ny tany vaventy ( Frantsa na Etazonia) ny firenena kely tahaka an'i Martinique (na Guadeloupe), ao anatin'ny tontolo mahery setran'i Karaiba ka tsy hanjakazaka eto an-toerana ny oloben'ny fivarotan-drongony sy ireo andian-jiolahy hafa. Tsy any amin'ny fahaiza-manaon'izay mety hitondra ny firenena ny olana, fa mba ilazana hoe, noho ny hakelin'ny firenena, ny fahamaivanan-danjan'ny tafika ao aminy, dia tsy afa-miaina isika raha tsy eo ambany alokaloky ny firenen-dehibe iray hiaro…

Ary dia nisafidianan'i Elsie fa i Frantsa irery ihany no afa-manolotra izany karazam-piarovana izany.

Notsongain'i wk de l'ile ny ohatra maro anasongadinany fa marina eo ampihainoana ihany ny filazalazan'i Barbier:

Franchement je ne trouve pas que ce qu’il dit soit paternaliste… il a juste parlé d’une réalité de façon un peu condensée voire abrupte : “une usine à touristes pour les Américains ” : voir Sainte-Lucie, Saint-Domingue, Montego bay à la Jamaïque, la Barbade…“sous la coupe des mafias locales pour servir de blanchiment ” : voir Saint-Martin, Anguille…

“un nouveau Haïti” : no comment…

Tena tsy hitako ny tsindry aloka amin'izay lazainy…somary narihidrihitra na nahitsihitsy ny nilazany ny zavamisy: “orinasam-pizahantany ho an'ny Amerikana”: jereo i Set. Lucie, ny Repoblika Dominikana, Montego Bay any Jamaika, Barbados…”eo ampelatanan'ny mafia ao an-toerana hampidirana ny vola azo tamin'ny tsy rariny ho ara-dalàna”: jereo St. Martin, Anguilla…” Haiti vaovao”: tsy anehoako hevitra…

Nanohy ny resany i wk de l'ile:

J’avoue que face à un certain mépris du gouvernement et quand je lis certains commentaires des lecteurs du Monde, du Figaro ou de Libération…j’en ai tellement marre de constater la méconnaissance de qui nous sommes… des Français de la Caraïbe… que je fais aussi ma petite crise indépendandiste…

Manaiky aho fa tena leo mihitsy aho amin'ny tsy fahalalana anay… Frantsay aty Karaiba… miatrika ny fanivaivàna ataon'ny fanjakana rehefa mamaky ny hevitra aposaky ny mpamaky ao amin'ny Le Monde, Le Figaro, La Libération aho…ary dia manana ny krizy kelin'ny mba hahaleovantenan'ny firenenay…

Tout ce que j’espère c’est que justement en prenant exemple des erreurs et des réussites des pays de notre région, en tenant compte de notre singulière histoire et de nos liens avec l’hexagone, l’Afrique et l’Asie, nous arrivions à ne pas nous tirer une balle dans le pied et mettre en place des institutions et un développement économique qui tiennent vraiment compte de ce que nous sommes. Fonder notre avenir politique sur une identité fermée, alimentée par une idéologie nationaliste est pour moi une voie dangereuse. Faisons vivre la république transcontinentale (pour citer ce beau concept de Marlène Parize)….

Ny mba fanantenako rehefa voadinika ny fahadisoana sy ny fahombiazan'ny firenena eto amin'ny faritra misy antsika, rehefa tazonina ny tantara miavaka mampifandray antsika amin'ny tanibe, Afrika sy Azia, dia mba tsy hitifitra ny tongotsika (na hoe hamingana antsika) isika ary hametraka rafitra sy fampandrosoana ara-toe-karena maneho tokoa ny mahaisika antsika. Lalana mampidi-doza ho antsika, araka ny hevitro, ny manorina ny ho avintsika ao anatin'ny fahafantarana mikatona, vokisan'ny fotokevitra nasionalista (mety hankahala vahiny). Aleo velomina ihany ny repoblika tsy voafetran'ny kaontinanta (araka ny filazan-kevitra mahafinaritr'i Marlène Parize)…

Jennifer Brea [4]