Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.

Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’ i Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra The Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.

Ny lehilahy – maizina ny fomba hamantarana azy – dia mpikambana taloha avy tao amin’ny tafika Sodaney sy ny militia Janjaweed: manamboninahitra zokiny ao amin’ny fitantanam-bolan’ny tafika Sodana ny iray, Komanda ambonin’ny Janjaweed kosa ny manaraka, ilay iray hafa indray miaramila tsotra an’ny Janjaweed, ary ny farany dia miaramila Sodanese.

Afaka maheno ireo fijorona vavolombelon’izy ireo ianao ao amin’ny horonantsary, izay mampiseho hoe tamin’ny fomba ahoana no nanangonan’ny governemanta Sodana ny Janjaweed militias, ny fomba nanomezany azy ireo fitaovam-piadiana sy vatsy rehefa andeha hanafika tanana ry zareo, mety ho sarotsaroman’ny governemanta izy ity ary amin’izany no hilaza izy fa hoe ny fanafihana anie ka nataon’ny tafika manohitra ny mpikomy fa tsy hoe fanafihana ny vahoaka nataon’ny militias e.

Efa misy ny dikan-teny an-tsoratra alemana , Arabo, ary Frantsay ao anatin’ny horonantsary.

Araka ny feon-gazetin’ny Aegis Trust momba ny Zon’olombeloha, dia tokony ho entina eny amin’ny Fanapahan-kevitry ny fitsarana iraisam-pirenena mahakasika ny heloka be vava ity horonantsary ity mba hanome ny antoka fahafahana misambotra ny filohan’ny Sodana, Andriamatoa Jeneraly Omar al-Bashir:

Farafaha keliny 300 000 ny olona maty tao Darforo hatramin’ny taona 2003 ary anapitrisany no tsy tafapetraka tao an-tananany, ny ankamaroan’izy ireo aza dia baboan’ireto milisy mitondra ny anaram-bositra hoe Janjaweed (devoly an-damosin-tsoavaly). Rehefa nandeha ny andro sy ny fotoana, dia nilaza ireo olona sisa velon’aina – ka ny mpanara-maso iraisam-pirenena no manamafy izany – fa namono, nanolana, nanararaotra ary nandoro tanana misesesy izy ireo, voatohitry ny tafika Sodana sy ny air force ireo Janjaweed. Kanefa mbola manda hatrany ny andraikitra manoloana ny habibina tao Darforo ity ny Governemanta Sodana ary mandrak’androany, dia lazaina fa tsy misy idiran’ny Janjaweed ireny toe-javatra ireny .

Kanefa indray misy hevitra mifanohitra ao amin’ity horonantsary ity – ny sasany amin’izy ireo izay miresaka mivantana amin’ny vahoaka tamin’ny voalohany indrindra – no milaza tantara hafa.

Afaka jerena eto ny horonantsary:


Simba I Darforo: niala tamin’ny fahanginany ny tompon’andraikitra Sodana tamin’ny alalan’ny Aegis Trust ao amin’ny Vimeo..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.