Tantara tamin'ny 22 Febroary 2009
Martinika: momba ny fahaleovantena sy ny “fifehezana” frantsay
Raha mbola mitohy moa ny fihetsiketsehan'ny mpiasa any Martinique sy Guadeloupe, dia misy ny mpamaham-bolongana any Martinique mihevitra fa mety te-hahaleo tena itony departemanta ampitan-dranomasina itony. Toy ny nanafintohina an'i le blog de [moi] sy heveriny ho misy fanindriana aloka ihany ny hevitra heverin'ny mpamaky azy fa noho ny mahakely ny nosy no mahatonga azy ireo ho ambany alokaloky ny hafa mandrakariva.
Madagasikara: hisy ve ny fanapahan-kevitra hialana amin'ny olana?
Fifampiresahana (sary nalain'i Avylavitra) Nanatratra ny faratampony ny herisetra politika nanomboka hatramin'nyvolana janoary teo tamin'ny 7 Febroary teo raha 30 raha kely indrindra ny Malagasy maty notifirin'ny tafika, tafiditra tao anaty fifanenjanana politika manko i Madagasikara. Maro ny diplaomaty avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nanao asam-panelanelanana hisian'ny fifanarahana eo amin'ny...
Shina: Manao atsangory eo ambozon'ny filoha Mao
Tamin’ny 19 Febroary, dia mivezivezy aty anatin’ny aterineto ny sary izay mampiseho ankizivavy iray atao atsangory eo ambozon'ny Filoha Mao. Ekena fa sarivongana mijoro ao Plaza ao Hunan ilay nosoavaliny , tanàna fiavian’ny Mao io. Kanefa, nvetivety monja dia nameno ny voalohan'ny takelaka maro ny sary, ary nahazo tsikera miisa...
FitorahanaBlaogy amin'ny tokony ho izy: Midira amin'ny Fifanakalozan-kevitra Malalaka momba ny VIH/SIDA
Ity andron'ny mpifankatia (14 Febroary) dia manamarika, tsy ny fiantombohan'ny fanentanana eto amin'ny Global Voices fotsiny ihany miantso ny olona mba “hampianatra ireo Olona Tiany hampiasa Blaogy na hampiasa ny Micro-Blog,” fa ao koa ireo ainga maro samihafa mikasika ny hetsika ara-pahasalamana mitodika mankany amin'ny VIH/SIDA mba ho fandrisihana ireo...
Japana: Fotoan'ny sery indray.
Raha toa mantsy ka ny fitiavana ihany no mba eny ambonin’ny lanitra. Efa miiditra tsikelikely ny lohataona, ary ny manomboka miparitaka eny rehetra eny ny vovom-bony avy amin’ny hazo antsoina hoe Cedre. Nanomboka ho ofisialy toa Japan any Kafunsho (ny sery). Nohesorina ny sokola (chocolat) tsy lany tamin’ny andron’ny mpifankatia mba azahoana mahazo toerana hasiana ireo fitaovana hiatrehana ny Kafunsho toy ny: mosoara, ny aro-tava, ny hanitra mint atete sy ny maro hafa.
Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.
Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.
Lebanona: fanambadiana sivily tamin'ny andron'ny mpifankatia
Nisy antso vaovao mba hanomezan'I Liban alalana ny fanambadiana sivily izay tontosaina amin'ny andron'ny mpifankatia tany amin'ny bara iray tany Beyrouth tamin'iny faran'ny herinandro iny. Mpifankatia maro avy amin'ny finoana maro samihafa no nanao sarintsarim-pampakarambady tao amin'ny Gemmayze trano fisotroana iray be mpahalala ao mba ho fanoherana ny lalàna mifehy...