Brioney: ny dia amin'ny ankapobe

Tahaka ny firenena manerana ny bolan-tany, tsy ho lany olona mazoto hanao fanamby ka hametraka ny firenena ao anatin’ny saritan’izao tontolo izao I Brunei. Iraka 2 no notanterahina.

1. Tovovavy an-tendrom-bolantany (filles du cercle polaire).

polar

Mpitoraka blaogy miaraka amin’ireo vehivavin’ny tendrom-bola-tany, sary manaja entin’ i Ranoadidas

Nanao tatitra i Ranoadidas mikasika ny dian-tongotra fitadiavam-bola ho an’ireo vehivavy roa fantatra amin’ny anarana hoe “ireo vehivavin’ny tendrom-bola-tany”, izany dia mba hamatsiana ny dian’izy ireo mankany Norvejy handray fiofanana, ka ny iray amin’izy roa vavy ihany avy eo no ho voafidy mandray anjara amin’ny iraka ho n’ny vehivavy repoblikana any Antarktika(Commonwealth Women’s Antarctic Expedition) andraisan’ny firenena fito hafa anjara. Vehivavy avy ao Brunei, Cyprus, Ghana sy Jamaica no olona voalohany avy any amin’ny taniny hikorisa ambonin’ny ranomandry eny amin’ny tendro atsimon’ny bolatany. Hiady anaty tafiotran-dranomandry ry zareo, anaty kisilasila, ary anaty mari-pana ambanin‘ny -30*C raha toa ka 800 kilometra ny lalana miala ao antarktika mankany amin’ny tendro Atsimo ara-jeografika. Ny fanombohan’ny iraka araka ny tokony ho izy dia ny 10 Marsa 2009.

Najanon’i Dk Aniza ankehitriny ny fianarany ao amin’ny Sekoly ambaratonga faharoa Bedford (Lycee) ho amin’ity hetsika ity. Ilay mpianatra izay mikendry ny ho lasa « vehivavy Indiana Jones aziatika » dia miteny fa te handray anjara amin’ity hetsika ity izy, ka tsy hoe hanome laza an’i Brunei fotsiny ihany fa kosa hametraka tantara sy hanao izay mety amin’ny fahafahana mandray anjara eo amin’ny hetsika iraisam-pirenena toy izao.

Mpanampy ao amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny I DK Najibah Eradah, 25 taona. Teo aloha dia mpampianatra kajy (mathematique) tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra nandritra ny telo taona izy, manantena I Era fa ny fandraisany anjara amin’ity iraka ity dia ahafahana manamafy ny fampitandremana entin’I Brunei momba ny fiakaran’ny hafanan’ny bolatany sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.

2. eny amparavodilanitra.

Raha anisan’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny fahaleovantenan’I Brunei, dia hisy ny ekipa mpivady, Harun sy Norhayati. Rangahy vadiny no handray ny iraka lava indrindra manomboka ny Marsa 2009 ka hatramin’ny Octobra 2010, izay manivaka an’I Siberia/Rosia/Mongolia ary Kazakhstana/Irana/Syria rehefa eny an-dalana mankany Eropa iny ry zareo, avy eo mahazo an’I Angletera ao aorian’ny 25 000 km. Hitodi-doha mianatsimo ry zareo amin’ny alalan’I Frantsa sy Espana mankany Moroko ary manaraka ny sisin-dranomasin’ny Afrika andrefana mandrapahatonga any Cape Town, Afrika Atsimo. Rehefa avy eo dia aondrana mankany Buenos Aires Argentina ny fiara natokan’izy ireo ho an’ny iraka, ary mandeha fiara mikorisa midina hatrany Ushuaia izy ireo, ilay tanana farany indrindra alohan’ny Antarktika, dia avy eo manapaka an’I Amerika iray manontolo mandrapahatonga any Alaska, alohan’ny hiverenana any Brunei ny Oktobra 2010.

Sary ny eny amin’ny faravodilanitra

Tsy vahiny amin’ny iraka fahobe I Norhayati sy Harun raha nandray ny lalana nanapaka an’I Afrika izay niala tao Afrika Atsimo mandrapahatonga any Ostralia tamin’ny taona 2007. Norhayati no olona Bruneiana voalohany olona Broneiana voalohany nahavita nitety ny firenena 13 na nandeha 21 000 km miala avy ao Eropa, Proche Orient hatrany Afrika Avaratra miaraka amin’ny fiara tsy matimanota (4X4) tamin’ny 1999. Nitarika ekipa iray misy vehivavy 5 tao an-toerana izy mba hianika ny tendron’I kilimanjaro, io ny ekipa aziatika voalohany nahavita nianika ny tendrombohitra volkanika avo indrindra eto amin’izao tontolo izao tamin’ny taona 2001, mba entina hanamarihana “tsidiho ny herintaonan’I Brunei”

Mirary fahomobizana ary ataovy tretrika ny firenenao!


Share This Share this article

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.