Kambôja : nanokatra ny fitsarana manokana ny Khmer Rouge i Duch

I Kaing Guek Eav, fantatra amin'ny anarana hoe Duch no nitsangana nanoloana ny fitsarana manokana izay tohanan'ny Firenena Mikambana hitsarana ireo mpamono sy mpandripaka olona tao amin'ny Khmer Rouge ao Phnom Penh. Izy no nitantana ny fonjan'ny Tuol Sleng Prison tao Phnom Penh, izay nahafatesana olona manodidina ny 12 000 araka ny voalazan'ny Guardian.

KI-Media naka ny famelabelarana tao amin'ny vaovaon'ny BBC mikasika ny tantaran'i Duch.

Teraka tamin'ny anarana hoe Kaing Guek Eav tao amin'ny faritanin’ ny Kampong Thom tamin'ny fiandohan'ny taona 1940 izy.
Nianatra momba ny marika izy ary tafiditra tamin'ny sekoly ambony. Taorian'ny bakalorea dia niofana ho mpampianatra tao amin'ny Phnom Penh. Tao no nifankahitany tamin'ny mpianatra Sinoa izay nitarika azy hankafy ny foto-pisainana kôminista. Taty aoriana kely dia tonga mpampianatra tany amin'ny Ambaratonga Faharoa izy ary nalaza ho sarotiny sady masiaka.

CAAI News Media no nanoratra fa 16 000 ny isan'ny olona maty tao Tuol Sleng.

Nitantana ny fonja S-21 tao Phnom Penh i Duch. Nasiany toerana fampijaliana tao ka olona 16 000 tsy nankasitraka ny fitondrana tamin'izany no nampijaliany sy novonoiny tao am-ponja. Azo isaina amin'ny ratsan-tanana ny sisa velona.

Nanangona ny fihetseham-pon'ny Kambojiana ny BBC ary anisan'ireny ny an'i Sothea Thai, 30 taona, mpanoratra ao amin'ny web ao an-drenivohitry Kambôja. Hoy ny valinteniny:

Mampisaotra fa tsy nisy maty ny fianakaviako tamin'iny fitondrana iny. Angamba tsy hitovy amin'ny fihetseham-pon'ireo namoy ny malalany ny ahy. Kanefa ny tena zava-dehobe amiko dia ny fahafantarana fa misy fanazavana ny zava-nisy tamin'ireny fotoana ireny.

Sarotra amin'i Kounila Keo ny mampifamatotra ny famonoan'olona sy ny tantaran'ny fireneny.

Manontany tena aho raha afaka mamela ny helok'izay nandripaka olona marobe nefa tsy nihetsi-bolomaso akory. Rehefa mieritreritra aho, amin'ny maha Kambôjiana ahy, dia sarotra amiko ny hanaiky ny tantara tsy mampino taloha niainan'ny fireneko – izay firenena vitsy angamba no niaina izany. Indraindray ny fahalebiazana, avy eo ny fahakiviana, ny fivelarana, ary avy eo ny fahalavoana.

Chhunny Chhean

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.