19 Febroary 2009

Tantara tamin'ny 19 Febroary 2009

Shina: Haintany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona

  19 Febroary 2009

Namely ny 43% n’ny varimbazaha vokarin’ny firenena ny hay tany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona, izay nipaka hatrany amin’ny faritany 12 sy ny velaran-tany mihoatra ny 9 300 hektara, ao amin’ny faritra avaratry Chine. Nampitandrina ny birao miahy ny faritany sy ny birao avo miady amin’ny haintany fa olona...

Kambodza: Mizotra misimisy kokoa amin'ny ho avin’ny natiora organika.

  19 Febroary 2009

Mikirakira an-tsehatra ireo vaovao bolongana Phnom Penh mikasika ny fihemoran’ny fivezivezen’ny sakafo tamin’ny 10 Febroary 2009 ny mpitoraka bolongana ao amin’nyCAAI News Media sy i Khmer Stars. Miresaka ny filozofian’ny fanamboarana ny sakafo ho tsara, madio sy mendrika manoloana ny fihenan-tsakafo ny loharanom-baovao, ary milaza izy hoe amin’ny fomba ahoana...

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

  19 Febroary 2009

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

India: Mahatohitra ny atin'akanjo mavokely

  19 Febroary 2009

Any amin'ny toerana sasan'i India, mety ho ratsy ho an'ny vehivavy sy ny fiandrianan'ny mpivady ny fankalazana ny fetin'ny mpifankatia (St Valentin), araka ny lalana amin'ny fifehezan-tena dia manapaka fa ho enjehina ireo mpivady sy vehivavy izay mifampitantana na eny amin'ny toeram-pisotroana zava-pisotro.

Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!

Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny vahoaka any Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra. Ireo ny horonantsary, sary sy bolongana nampidirina mahakasika ny toetr'andro mahatsiravina izay tsy fahita amin'ny vanim-potoana toy izao ao anatin'ny taona.

Guadeloupe : Nihanafana ny toe-draharaha ka niafara tamin'ny herisetra

  19 Febroary 2009

Taorian'ny herinandro nanaovana fitakiana tamim-pilaminana tany amin'ireo departemanta Frantsay any Guadelope dia nivadika ho herisetra izany ny alatsinainy lasa teo raha nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana tany Point-à-Pitre. Toherin'ny mpiasa mantsy ny fitomboan'isa tsy an-kijanona ireo tsy an'asa sy ny fiakaram-bidin'ny zavatra ilaina andavanandro izay afarana avy...