- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Fifangaroan'ny fomba vaovao sy fahagola amin'ny andron’ny mpifankatia (St Valentin)

Sokajy: Armenia, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

trndez 0001 [1]

Heverina fa ny fikambanana kristiana tafajoro maharitra indrindra ny fiangonana Apostolika any Armenia, niorina ny taona 301, sady fikambanana kristiana antitra indrindra eto an-tany ao amina firenena iray. Fa nandritra ny 1700 taona taty aoriana dia mbola tavela ny fombafomban’ireo tsy mpino (kristiana)  tao amin’ny firenena, eny fa na dia tafatelina tao anatin’ny datin’andro kristiana aza ireny ankehitriny. Raha toa ka izao tontolo izao no manamarika ny fetin’ny mpifankatia, dia mankalaza ny mitovy amin’izany fombafomba izany koa ny Armenianina-Trndez [2].

Ambonin’ny fanomezana ireo mpizaha tany andro hafa hanaovana fety izay hankalazaina ihany koa amin’ny volana Febroary , dia nanome fanazavana ny tantaran’ny Trndez ny bolongan’ny [3] Envoy Hostel ary manatsofoka sary milaza ny andro nomarihan’ny vahiny sy ny mpitantana.

Andro fety Armeniana malaza ny Trndez (andron’ny labozia [candlemas]), izay nisy talohan’ny vanim-potoana kristiana; mifandray amin’ny fivavahana amin’ny  lelafo/masoandro izany, ka ny vokany dia ny fahatongavan’ny lohataona sy ny tany lonaka. [..] Ireo mpandray anjara amin’ny fety dia ireo mpivady vao sy ireo mpifankatia izay mitorajofo eo amin’ny afon-dasy. Inoan’izy ireo fa hitsoaka ny devoly ary fiadanana no ho tonga ao an-tokantranon’ny olona. Arahan’ny hira sy dihy manodidina ny afo ny fomba fankalazana.  Mandrehitra ny labozia avy amin’ilay afo nohamasinina  ihany koa ny olona mba hitondra izany lelafo izany mba itahiana ny tokantranony ary itahiry izany mandrapahatongan’ny andro manaraka ny fankalazana Trndez.

Nandefa anterineto ny  sarin’ny afo  Trndez [4] I Ezhenka [RU] izay milaza fa “ androany dia nanatrika ny fety Armeniana Trndez izay mahate ho tia sy misongadina” izy, ka nandritra izany rehetra izany no hisian’ ireo olona na mpivady mihodikodina na mitsofoka mandalo ny lelafo. Na Kristianina na tsia,dia  manome [5]ny fomba fijeriny mikasika ity fety ity ho an’ny mpamakiny [5] I Haykuhi [AM].

Midika hoe “tonga eo anatrehan’Andriamanitra” ny teny hoe “Tearnendarch”.  Miantso hoe “Terndez, Trndez, Trntes” ny olona sasany, ka izy io dia  hevitra hafa mitovy amin’ny hoe “Ho aminao anie Andriamanitra”.Mankalaza ny Tearnentarach ny fiangonana Armeniana tamin’ny 14 Febroary, izay efapolo  andro ao aorian’ny andro  nahaterahan’I Kristy ny 6 Janoary (araka ny fomba Armeniana).

Nankalazain’ny fiangonana Armeniana tamin’ny fomba ofisialy ny Tearnendarach efa hatramin’ny fahagola. Voamarina izany tamin’ny alalan’ny hira natokana amin’ny Tearnendarach [voasoratra tokony tamin’ny taon-jato faha-5] mpahay tantara Movses Khorenatsi (Moses of Choren).

Nandefa am-bolongana  mikasika ny famariparitana [6] ny fombafomba ny tranok’ala Armenia.ru [RU]

Efa nisy talohan’ny vanim-potoana tsy mpino kristianina Armaniana ny Trndez (Tearnendarach izay midika  hoe “Fihaonana amin’Andriamanitra” [amin’ny fomba kristianina]. Tamin’izany fotoana fahagola izany dia nanompo afo ny Armeniana…. Mampantanjaka ny herin’ny masoandro ny fankalazana  ny fety, mihamalefaka ny hirifirin’ny hatsika vokatrin’ny asan’ny afo.

Etsy andanin’izany, ny andron’ny mpifankatia(St.Valentin) dia sady tsy hoe tsy voajery  fa voasokatra ifotony ihany koa: Mitatitra I Gay Armenia fa naroso ihany koa ny fombafomba vaovao [7]

Nanomboka hetsika PR mandeha irery ny asan’i Brabion Flora mba entina hanamarihana ny fetin’ny mpifankatia. Nanambara izy ireo fa izay lehilahy rehetra  tonga ao amin’ny tranom-boninkazon’izy ireo amin’ny 2 ora hariva, ora ao an-toerana, miaraka amin’ny akanjo fitondra milomano na miaraka amin’ny atin’akanjo irery ihany dia hahazo fehim-boninkazo . Naminavina ny mpikarakara ity lalao ity fa 1 na 2 ny lehilahy mety ho tonga, nefa 10 eo ho eo no tonga tao [..]

trndez 0002 [8]

trndez 0003 [9]

trndez 0004 [10]

trndez 0005 [11]

Trndez, Oshagan, Aragatsotn Region, Republic of Armenia © Onnik Krikorian / Oneworld Multimedia 1999, Licensed under Creative Commons