Madagasikara: Mampihorohoro an'Antananarivo ny tsaho

Simban'ny krizy politika efa mandratra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao Marina sy ny fahafaha-miteny.

Mandeha ny fandrahonana ary miely ny tsaho, manampy trotraka ny fampihorohoroana tsy mampilamina sy tsy mampitombina mihitsy izany rehetra izany.

Taterin'i Jentilisa, mpamaham-bolongana iray tsy manohana mihitsy ny hetsika fanoheran'i Andry Rajoelina, fa nahazo fandrahonana izy:

“Alina fahatelo aho izao no misy fanelingelenana (harcelement nocturne)(amin'ny 12 alina, 2 ora, 4 ora ary @ 5 sy sasany maraina) amin'ny alalan'ny antso finday hatrany ary tsy menatra ny mampiseho ny laharan'ny findainy izy nefa rehefa antsoina tsy mamaly.”

Les Nouvelles (gazety) koa mitatitra ny fanafihana ny tranon'i Lala Rasendrahasina ,filohan'ny FJKM
(Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara ). Iray amin'ny Mpanelanelana eo amin'ny fifampiraharahan'ny tariky Ravalomanana sy Rajoelina samy miady fahefana ka nampikatso ny firenena hatramin'ny volana janoary moa FJKM. Heverin'ny sasany manko fa akaiky loatra an-dRavalomanana ny FJKM.

“Finalement, ils ont essayé de repérer les assaillants en scrutant prudemment l’extérieur, mais impossible pour eux d’identifier qui que ce soit. Au hasard, l’un des agents a visé sur une ombre, et son tir s’est avéré suffisant pour faire fuir les agresseurs.”

“Farany, dia niezaka namantatra ny (mpitoratoraka) hijery am-pitandremana any ivelany izy ireo fa sarotra ny hamantatra an-dry zalahy. Nikendry aloka ny iray amin'ny mpiambina ka heverina ho ampy iny tifitra iny hampandositra ny mpanafika.”

News2Dago moa mahita fa tsy tampoka intsony ny fanafihana sahala amin'ireny:

“Manarak'izany dia mitohy hatrany fampihorohorona ny olona mpanelanelana ankehitriny satria dia nisy nitoraka sy nihaodihaody ny manodidina ny tranon'ny filohan'ny Fjkm Lala Rasendrahasina. Tsy mahagaga izany satria dia dradraina ao @ radio viva isan'andro oe mpiray tsikombakomba @ mpitondra jadona.”

Niantso ny mpanao gazety namany ny holafitry ny mpanao gazety

“aoka tsy hiteniteny foana ka hampitsahatra hatreo ny fankahalana, fandrisihana, tsaho sy fampielezana vaovao tsy marina ao amin'ny vaovaony sy ny matoan-dahatsorany.”

Re mampiely fankahalana any amin'ny radio samihafa any moa ny mpanao gazety sasany, indrindra fa ny ao amin'ny VIVA radio an'i TGV. Tsy menatra akory ny mpanao gazety (sasany) manondro olona ho “Fahavalom-bahoaka”, raha manome ny laharan'ny trano na fiaran'olo-tsotra any amin'ny radio-ny. Lasibatry ny andian'olona avy eo ireo “Fahavalom-bahoaka” ireo ary dia dorana na robaina ny tranony avy eo.

“Mba meteza kely fotsiny eo @ toeran'ireo voaromba ireo mpanao gazety manondro molotra ireo mba manana vady aman-janaka ihany. Ovay ihany koa ny fomba fanao fa mbola tsy tara. Tao aorinan'ny 17 janoary no nankaty izao dia maro ireo olona voaroba. I Moxe Ramandimbilahatra, nanaraka azy omaly i Eugène Randriamiandrisoa teo koa i Saholimalala izay mpanolotsainam-paritra ny antoko Tim dia farany izay natao antsoantso omaly t@ radio viva dia i Jaquot ny tarika Green. Lazaina fa fahavalom-bahoaka daholo ireo olona ireo dia robaina ny fananany.”

Tamin'ny alarobia, nanomana fihaonambe ny mpanohana an-dRavalomanana ka (araka ny AFP) dia 30 000 ny manohana tao (araka ny DW moa dia 50 000 ny isa).

Rally in support of Ravalomanana in Mahamasina

Fahombiazana ny fihaonana na dia nirotsaka aza ny orana araka izany notaterin'i tgoose.

“Finally! the incumbent speaks up and his people show Madagascar and the world that they are not interested in a new government being forced upon them. I was really starting to wonder what Ravalomana could do. I hope this is the beginning of a realisation for the Malagasy people… Wouldn’t that be great?
There was about 30,000 people inside of the arena and about 10,000 outside of the arena, all standing in the rain supporting their country and democracy. Most inside where shouting “Arrest TGV!” repeatedly (which is not a bad idea) and carrying around banners that say “Tsy Mila TGV” (We dont need TGV)!”

Niteny ihany ny filoha ary nasehon'ny mponina an'i Madagasikara sy izao tontolo izao fa tsy liana amin'ilay governemanta vaovao letrezina aminy ry zareo. Efa nisalasala mihitsy aho amin'izay azon-dRavalomanana atao. Manantena aho fa fanombohan'ny fahatongavan-tsain'ny vahoaka izao… Moa tsy tsara ve izany? Tokony ho 30 000 eo ho eo ny olona tao anatin'ny kianja ary teo ho eo amin'ny 10 000 kosa ny ivelany, mitsangana ao anaty orana avokoa izy rehetra manohana ny firenena sy ny demaokrasia. Mamerimberina ny maro tamin'ny tao anatiny hoe “Sambory TGV!”(tsy ratsy kosa!) sy nitondra sora-baventy manao hoe “Tsy mila TGV”

Voasa haneho ny talentany ny mpihira, anisan'izany i Samoela, izay manana hira mitondra ny lohateny hoe “President” toa naminany amin'ny tolona politika misy ankehitriny:

“si je serai président par hasard
nous on saura jamais,
seul dieu le sait
mais s'il mettra un conard au pouvoir
j'aimerai bien m'y voir”

“Raha ho prezidà tampoka aho
tsy fantatsika izany
Andriamanitra no mahalala
fa raha hametraka jiolambany eo amin'ny fitondrana izy
Tiako raha izaho no hitako eo”

Niala tamin'ny minitra farany moa ny mpihira hafa, nilaza ny fampitahoran'ny mpanohana ny TGV azy ireo, fandrahonana ny artista tsy handray anjara amin'ny fihaonamben'ny mpanohana ny filoha.

“Rolly Mercia du quotidien La Vérité aurait déclaré sur la radio Viva que les artistes qui se produiront à Mahamasina pour la contre manifestation pacifique, pourraient avoir des répercussions sur leur carrière professionnelle. L’animatrice de Viva aurait aussitôt donné une liste de noms d’artistes censés se produire à Mahamasina.”

“Toa nilaza tao amin'ny radio Viva i Rolly Mercia avy ao amin'ny gazety La Verite fa mety hisy fiantraikany amin'ny asan'ireo artista ny fihirany any amin'ny fihetsiketsehana milamina atao eny Mahamasina. Tonga dia nanome lisitry ny artista noheverina ho nihira teny Mahamasina ny mpanentana ao amin'ny VIVA.”

Fanehoan-kevitra iray nataon'i Razz nitsikera henjana henjana an'ireo izay nanatrika ny fihaonamben-d Ravalomanana:

“Faut-il rappeler que cette fête que le parti Tim compte tenir à Mahamasina se passe au moment où les citoyens malgaches sont encore en douleur suite à la tuerie volontaire d’une centaine de personne trois jours plutôt à Ambohitsorohitra. Par ailleurs, le show artificiel de Mahamasina coïncide à la commémoration de la date d’assassinat du colonel Ratsimandrava le 11février 1975. De qui se moque-t-on ? « Seuls les ‘danseurs de nuit’ (mpamosavy) qui jubilent et s’éclatent sur la douleur et le décès de leur voisin », s’indigne une mère de famille habitant dans un bas quartier de la capitale pour faire allusion au show de Ravalomanana à Mahamasina”

“Tokony hotsarovana fa mitranga ao anatin'ny fotoana mampahory malagasy namoy havana noho ny famonoan'olona an-jatony teny Ambohitsorohitra vao telo andro lasa izay ity fety karakarain'ny antoko TIM ity. Mifanandrify amin'ny fahatsiarovana ny andro namonoana ny kolonely Ratsimandrava tamin'ny 11 febroary 1975 ihany koa ity fety ankosotra ity. Fa iza no adalaina eo? ny mpamosavy ihany no mifaly amin'ny fahorian'ny mpifanolo-bodi-rindrina aminy”, hoy ny fahatezeran'ny reny iray avy eny ambany tanàna raha milaza ny fihetsiketsehana atao any Mahamasina izy”.

Ny tena loza dia efa vonona amin'ny adim-poko ny sasany any atsimon'i Madagasikara any.

“Nanaitra ihany anefa ny fitarainan'ny loholona voafidy sy voatendry avy any fa misy ny mikononkonona ady an-trano (fomba filaza ampahibemaso ny hevitra ambadiky ny ikonokononana fandrobana fa ankehitriny kosa tadiavina hanaovana fandripahana ny Merina – sy ny Betsileo – monina any amin'iny faritra iny). Efa nisy anefa ny olona milaza (na mieritreritra) fa tena ao anatin'ny teti-panorona mihitsy io fandripahana olona toy izay nitranga tany Rwanda namonoan'ny Hutu ny Tutsi tamin'ny 1994 io.”

Amin'ny fotoana tahaka itony, tsy hita intsony izay vaovao tsy mitongilana, mampiroborobo tsahon'adala (na tsy dia adala loatra an!) mafy dia mafy ny mpampiely hevitra hampihorohoro sy tsy hampitombina ny nosy.

Tsaho fa nitsoaka ny firenena ry Ravalomanana :

“Unconfirmed reports claim that Andry TGV told the crowd that President Ravalomanana left the country.”

Tatitra tsy voamarina no nandrenesana fa niteny tamin'ny olona vory nanatrika azy i Andry TGV fa nitsoaka ny firenena Ravalomanana

Tsaho fisian'ny kolikoly eo amin'ny roa tonta:

“Les manifs sont devenues une source intéressante de revenus en ces temps de crise économique d’autant que les deux partis n’hésitent pas à payer.

“Lasa loharanom-bola mahaliana ny fihetsiketsehana amin'ny fotoana tahaka itony sady vonon-kandoa rahateo ny roa tonta.”

“Pour la ville d’Antanifotsy, trois cars sont partis ce matin en destination du stade Mahamasina. Les personnes à bord ont déjà empoché 75.000 Fmg par tête, selon les témoins oculaires sur place. Dans la capitale, des chefs dans l’administration ont mis une pression à leurs subordonnés pour se rendre à Mahamasina. “

“Tany Antanifotsy, fiara telo no niainga androany maraina ho any an-kianjan'i Mahamasina. Samy nahazo 75.000Fmg ny isan'olona araka izay voalazan'ny nanatri-maso tany an-toerana. Tao an-drenivohitra, maro ny lehibena sampan-draharaham-panjakana no nanery ny teo ambany fifehezany ho any Mahamasina.”

Ity tranonkala manaraka ity kosa nampiseho sarina fiara miloko manga izay toa nandraisan'ny mpanohana ny TGV vola tamin'ny 07 Febroary 2009, nialoha ny ra mandriaka.

Maro ny tsaho mbola mandeha:

Tsaho momba ny mpandroba sy mpanohana ny TGV vonona ny handrava izay sisa amin'ny fananan-dRavalomanana any Antsirabe:

“Araka ny fanampim-baovao azoko dia ny karana sy izay olona rehetra niara-niasa tamin'ny TIKO rehetra no nokasaina horobaina tany Toliary sy hovonoina mihitsy. Re ihany koa fa miomankomana ihany koa ny jiolahim-boto na mety ho mpanohana ny TGV na mpandroba tsotra handroba sy handoro izay sisa tsy potika sy tsy may tamin'ny fananan-dRavalomanana Ao Antsirabe ao amin'izao ora hanaovana fanampim-baovao izao (10:30 eo amin'ny piste fanaovana hazakazan-tsoavaly ry zalahy amin'izao fotoana izao ho an'izay mahalala an'Antsirabe). Efa nampitandrina anefa ny mpitandro ny filaminana fa hitifitra avy hatrany ry zareo na tsy “zone rouge” ary ny toerana kasain-dry zareo horobaina sy odorana.”

Tsaho fa niantso an'i Andry TGV hoe “president”ny iraka Frantsay ary dia nolavin'ny masoivoho frantsay avy hatrany izany :

“L’Ambassade de France aurait démenti les propos d’Andry TGV tenus sur la place du 13 Mai hier. Celui-ci avait déclaré que durant les entretiens d’hier, Mr Joyandet l’aurait salué en utilisant le terme de “Mr le Président” “

“Toa nandà ny fomba filazan'i Andry TGV nandritra ny kabariny teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny masoivoho frantsay. Nilaza manko io fa nandritra ny resadresaka nifanaovana ny omalin'io, dia niarahaba azy hoe “Mr le President” ny iraka Frantsay”

Tsaho nolazain'ny tenany ihany fa nenjehin'ny mpikarama an'ady i Andry TGV:

“Andry Rajoelina a été victime d’une attaque des mercenaires sur la route digue dans la nuit du dimanche 9 février dernier selon les révélations qu’il a faites sur la Place 13 mai. (…)
Rumeur ou réalité ; les preuves font pour l’instant défaut dans tous les dires de Andry Rajoelina. Il se dit à maintes reprises être l’objet d’un mandat d’arrêt. Jusqu’à présent aucune photocopie d’un quelconque mandat d’arrêt n’a été révélée. Il a déjà affirmé être poursuivie par des personnes inconnues, sans apporter de preuve concrète.”

“Toa hoe notafihin'ny mpikarama an'ady teny amin'ny vahilava i Andry Rajoelina tamin'ny alin'ny alahady 9 febroary araka ny nolazainy farany teo amin'ny kianjan'ny 13 Mey. (…)
Tsaho sa tena nisy; tsy nisy ny porofon'izay araka ny nolazain'i Andry Rajoelina rehetra. Nolazainy matetika fa misy didy fampisamborana azy mandrakariva any nefa nefa tsy mbola nahitana izay saridikan'izany didy fampisamborana izany. Nilaza izy fa nisy nanenjika nefa tsy hita loatra izay tena porofo mazava an'izany.”

Tsaho momba ny trano fandraisam-bahiny mihaja lazaina ho mampiantrano mpikarama an'ady (nolazain'i Andry TGV tenany) ary dia nolavin'ny hotels mazava loatra:

“Andry Rajoelina a aussi pointé du doigt l’hôtel restaurant Papango en fa ce de la Place 13 mai, d’héberger un tireur d’élite qui serait en charge de le tuer”
“Accusé par des manifestants de la Place 13 mai d’avoir abrité des tireurs d’élite samedi 7 février dernier, l’Hôtel du Louvres sis à Antaninarenina et accolé au ministère des Finances, dément. L’autre établissement hôtelier, Le Colbert, sis lui aussi dans les parages, précise que l’établissement appartient exclusivement à des particuliers et Marc Ravalomanana n’a
aucune part dans son capital comme on veut le faire croire. Le Colbert aussi a été soupçonné d’avoir abrité des tireurs, auteurs du massacre ce samedi ensanglanté du 7 février dernier.”

“Noendrikendrehin'i Andry Rajoelina ny hotel restaurant Papangoo mifanatrika amin'ny kianjan'ny 13 mey fa misy mpahay mitifitra voairaka hamono azy.” “Toy izany koa ny Hotel du Louvres mifampiraikitra amin'ny Minisiteran'ny tetibola ao Antaninarenina izay nendrikendrehin'ny mpanao fihetsiketsehana eo amin'ny kanjan'ny 13 mey ho mampiantrano mpahay mitifitra ary dia nolaviny izany. Toy izany ihany koa moa ny Hotel Le Colbert eo akaikikaiky eo izay fananan'olo-tsotra vitsivitsy saingy tsy manana renivola miasa ao mihitsy araka izay aely i Marc Ravalomanana. Noahiahiana ho nampiantrano mpahay mitifitra, nanao ireny famonoan'olona mahatsiravina tamin'ny 7 febroary ireny koa moa ny Le Colbert.”

Fanehoan-kevitra iray leon'ny tsaho no nanoratra teo amin'ny bolongan'i Jentilisa:

“aiza kay no tena misy lahatsoratr'olontsotra fa tsy mpanao gazety fa toy ity anao ity ihany, fa izany hoe tena olona tsy miandany @atsy na ny aroa fa tena mba milaza ny zavamisy objectivement?”

Ao anatin'izany rehetra izany, kivy tanteraka tsy mahita ny filaminana sy ny fiverenan'ny fiainana andaanandro mahazatra i R1lita.

“I think people here just want to live in peace. They want to go to work or to school without the fear of being trapped in riots, or taken by force to join those who are on strike. Shop owners want to open their businesses and be sure that no one will loot and burn them. We are fed up with this feeling of permanent insecurity.The last protest [Andry Rajoelina's protest] didn’t draw as many followers as before still people are wary because nothing is sure yet. Even though we are back to our daily life we don’t know what will happen tomorrow.”

Mieritreritra aho fa mitady filaminana ny olona. Te-hianatra sy te-hiasa tsy amin'ahiahy ka ho tratran'ny korontana, na terena hanaraka ireo mitokona. Te-hanokatra ny asany mahazo antoka fa tsy hisy fandrobana sy fandorana asany ny tompon'ny tranombarotra. Tsy araka izay nantenain'ny mpanaraka azy loatra ny fihetsiketsehana farany nataon'i Andry Rajoelina noho ny tsy fisian'ny zavatra azo antoka. Na dia mierina amin'ny asa andavanandro aza izahay dia tsy fantatra mihitsy izay avoaky ny ampitso.

Mialy Andriamananjara

1 hevitra

  • Zaza Gasy

    Nahoana ary no mbola misy mpankasitraka ihany io fitondrana tetezamita io, nefa dia tena mitondra ny Firenena hikorosofahana? Taratry ny Praiminisitra. Nirotsaka hofidina ho Filoha ranamana tamin’ ny2006. Na ny fampielezan-kevitra anefa na ny vatony dia tsy naharakotra ny Nosy. Dia izay no miverina izao fa firy volana naha praiminisitra izay ranamana fa mbola misy minisitera mihahaka hatramin’ izao. Tao koa ny kabariny niresaka an’ i Nielse Marquardt indray mandeha iry; tena tsy mahay an’ ilay atao hoe diplômasia mihitsy. Raha fintinina dia olona tsy mahalala ny tokony hataony. Ilay nanendry azy koa araka izany, matoa tsy nahita afa-tsy olona toa an’ iny homena andraikitra goavana, dia efa tsy alehany.

    Dia ireny ve no nasolo ilay efa nahazaka ny fanendrena handray ny fivoriana tampon’ ny Firaisambe Afrikana? Mba tongava saina.

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Zaza Gasy

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.