Madagasikara: Nitono-tena ho filoham-pirenena ny Ben'ny tanàna

Nivadika ho adim-pahefana hiandraikitra ho filoham-pirenena indray ny fifanandrinana misy eo amin'i filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina izay efa nampisaritaka ny Malagasy tao anatin'ny herisetram-pandrobana tamin'iny herinandro iny.

Nanetsika ny mpanohana azy i Rajoelina, DJ sy mpampiala voly lasa Ben'ny tanànan'Antananarivo rehefa nakaton'ny fitondrana ny televizionany VIVA. Ankehitriny moa dia tsy mitady ny hamerenana amin'ny laoniny ny demaokrasia sy ny fahalalaham-pitenenana ihany no takian'ny mpanaraka azy mahatratra an'aliny fa ny fitantanana ny fitondrana mihitsy.

Samy nandamoka (foana) avokoa moa ny fampihaonana indroa miantoana saiky natao ho an'ny roa tonta (Ravalomanana sy Rajoelina).

Hain'ny Ben'ny tanàna moa ny namadika ny tsy fahafalian'ny olona sy ny tsy fanekeny intsony ity fitondrana ity hanaraka azy amin'ny fitolomana. Tamin'ity Sabotsy ity, teo amin'ny Place du Treize Mai, teo anatrehan'ny olona an'aliny no nilazan'i Andry Rajoelina fa izy no mpitondra vaovaon'i Madagasikara.

“Since the president and the government have not taken their responsibilities… I will run all national affairs as of today,” he said.

Rehefa tsy nandray ny andraikiny ny filoha sy ny fitondrana notarihiny… dia ho raisiko an-tanana ny fitantanana ny firenena, hoy ny nolazainy.

Mikasa ny hanongana an-dRavalomanana, filoha ankehitriny, ihany koa izy noho ny Fanitsakitsahana ny Lalampanorenana Malagasy araka ny nolazainy.

Araka ny no taterin'i Avylavitra (sy ny sary nalainy mivoaka ao amin'ny flickr ) :

“Notanisaina teny an-kianja daholo androany ireo teboka efa ho folo lazain’ireo mpomba an’i Andry fa fanitsakitsahana lalampanorenana nataon’Atoa Ravalomanana Marc, ka tafiditra ho isan’ny tena antony azo analana azy amin’ny toerany, ka isan’izany ny resaha ‘haute trahison’ momba ny fanafarana mpikarama an’ady hamono ny taranaka Malagasy, ny fanaovana fanavakavahana ara-pinoana sns….

Teny ampamaranana ny fotoana, rehefa ela no niandrasan’ny vahoaka azy, dia nivoaka ihany ilay fanambarana lehibe nataon’i Andry Rajoelina, ka nanabaràny fa izy ny mitondra vonjimaika ny tetezamita, ary manome baiko sy mitantana ny raharaha rehetra. Nisy ny fanaingany ny tafika sy ireo ministera isan-tokony mba hanaraka ny baikony.”

News2Dago indray manontany raha izao no atao hoe demaokrasia:

“Toy izao ilay atao oe vahoaka maro an'isa izany oe 80.000/20.000.000 na koa oe 0,004 % no hadidy sy hanapaka ny tany sy ny fanjakana. Dia atao ahoana izany ireo vahoaka tsy milahatra tsy tia korontana kanefa tsy sahy maneho hevitra fa ampitahorina bemiranga sy olona milanja basy handromba sy hanampim-bava. Demokrasia ny bandy bokona sy beloha no tiana hanjaka eto @ tanana.”

Madagascan manotany izay hitranga:

“…une question se pose tout de même: La solidité de ses soutiens au sein de l'armée et des forces de l'ordre? Jusqu'à présent, aucun évènement n'a pu démontrer la supériorité d'un camp ou d'un autre au niveau des forces armées. Cette déclaration sera donc le grand test pour Andry Rajoelina.
En tout cas, cela ôte tout doute sur le fait que le maire d'Antananarivo possède des soutiens dans la classe politique d'opposition, qui ont préparé cette confrontation. Tout seul, il n'y serait pas arrivé.
Le week-end risque d'être encore agité. La logique voudrait que Marc Ravalomanana lance un mandat d'arrêt contre Andry Rajoelina, et que ce dernier soit fait prisonnier dès aujourd'hui. Cela sera le premier grand test: Les forces de l'ordre vont-elles obéir?”

“…Ny mahalasa fanontaniana ahy dia ny tanjaky ny mpaohana azy any anivon'ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana? Hatramin'izao loha di atsy misy ahafantarana mihitsy ny fifandanjan-kery misy eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Fitsapana lehibe ho an'i Andry Rajoelina noho izany ny fanambarana nataony. Tsy isalasalana kosa ny fanohanana azony avy amin'ny antoko politika fa raha izy irery manko tsy hahatontosa izao fifanandrinana izao. Mbola mety hafana ny raharaha amin'ity faran'ny hernandro ity. Raha ny lôjika dia tokony handefa taratasy fampisamborana an'i Andry Rajoelina i Marc Ravalomanana, ary tokony ho gadra anio ihany ilay zalahy io. Fitsapana lehibe ny androany: hanoa azy ve ny tafika?”

Nandritra izany fotoana izany dia nitety ny tanàna any amorontsiraka ny filoha Ravalomanana ary ny nandehanany farany dia tany Nosy Be, ary araka ny nolazain'ny sampan-tseraseran'ny Prezidansa, dia nanao izao kabary manaraka izao izy tany:

“Je suis là pour discréditer les rumeurs, car à Antananarivo il est dit que tout Madagascar est en feu. Je constate que la vie de tous les jours continue. Il faut se concentrer sur le travail pour faire progresser les pays. Je suis aussi venu pour constater les dégâts causés par le vandalisme et les incendies. Nous suivons de près les fauteurs de troubles afin que vous réalisiez qu’il y a un Etat de droit à Madagascar. Le constat général est le suivant: les troubles sont causés par des groupes qui viennent de nulle part et soudainement, pour semer la panique. Nous respectons la Constitution et la légalité, et ce ne seront pas gens qui vandalisent et pillent qui vont déstabiliser notre nation. Nous sommes profondément désolés de ce qui s’est passé, mais nous allons travailler ensemble pour redresser l’économie. “

“Tonga eto aho handiso ny tsaho lazaina any Antananarivo fa may avokoa i Madagasikara manontolo. HItako fa mitohy tahaka ny andavanandro ihany ny fiainana. Hiasa hatrany isika hampandrosoana ny firenena. Tonga eto aho hijery ny fahasimbana vokatry ny fandrobana sy ny fandoroan-trano. Efa arahinay maso akaiky ireny mpanakorontana ireny hahatsapanareo fa misy fanjakana mijoro eto Madagasikara. Ny tsikaritra ankapobeny dia tahaka izao: mipoitra tampoka avy any ry zalahy hanakorontana. Hajaintsika ny Lalampanorenana sy ny ara-dalàna ka tsy olona nandroba sy namaky trano no hanakorontana ny firenena. Malahelo dia malahelo tokoa izahay tamin'ny zava-nitranga, fa hiasa miaraka indray isika amin'ny fanarenana ny toe-karem-pirenena.”

Yahoo Forum indray no hahitana ny fihetsika isan-karazany miainga amin'ny fahagagana (fahatezerana) ka hatramin'ny hatramin'ny horakora-kafaliana tamin'izay nitononan'i Andry Rajoelina ny tenany ho filoha. Misy ny mahita ny fihetsiky Rajoelina ho fitadiavam-pahefana hiarovanany tombotsoany sy ny harenany. Faly kosa ny hafa. ny hafa indray mbola mieritreritra fa sao voafitaky ny mpanao politika indray ny vahoaka.

“Que faut-il faire pour que le peuple malgache ne soit pas sacrifié au nom de quelques intérêts personnels.
Rendons nous compte: pour accéder au pouvoir, ces gens là osent parler de démocratie et sont prêts à faire des actes terroristes et prendre le pouvoir de force!!!”

“Inona no hatao mba tsy ho lasa sorona noho ny tombotsoa manokana ny ahoaka malagasy. Saino anie izao: hahazoany fahefana dia niantsoantso demaokrasia ny sasany ary dia nahasahy nanao asa fampihorohoroana ary dia mandray an-keriny ny fahefana!!!”

“Manana “Filoha vaovao” aloha izao ny tenanay ka soava tsarà ingahy “ANDRY TGV””

Manontany momba ny fifidianana eto Madagasikara kosa ny hafa ao amin'ny Sobika forum:

“Et le peuple malgache aura t'il son mot à dire? je ne me permets pas de juger mais il me semble que TGV devrait réclamer des élections? La seule légitimité démocratique peut donner un avenir à un homme ou une femme politique…ces méthodes d'auto proclamation sont d'un autre âge…”

“Ahoana kosa hoy ny vahoaka Malagasy? Tsy afaka hitsara aho fa tokony hitaky fifidianana ny TGV? Ny (fifidianana demaokratika) ihany no manome antoka ny ampitson'ny mpanao politika. Efa tamin'ny andro taloha izany misora-tena ho izao na izatsy izany…”

Mialy Andriamananjara

4 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> AdyGasy-SystemD

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.